ECOLE DOCTORALE : Voafahan-dalitra ny Conseil des Ministres ary atao tsinotsinona ny didim-pitsaran’ny Conseil d’Etat

— Par Pr RAFANOMEZANTSOA Roger Marie

Fanitsakitsahan-dalàna mifehy ny Ecoles doctorales misy eto Madagasikara sy fanaovana hosoka ary anarchies isan-karazany no manjaka ao amin’ny Ecole Doctorale iray antsoina hoe « Ecole Doctorale de Géochimie et Chimie Médicinale de Fianarantsoa (GEOCHIMED).

Ohatra iray lehibe azo singanina amin’izany no nitranga tamin’ny fifidianana ho Talen’io Ecole Doctorale io tamin’ny 08 aprily 2022 ka nahalany olona iray (antsoina hoe : Monsieur RABESIAKA Maholy Rivo Jean) avy tamin’ny alalan’ireo zavatra tsy manara-dalàna sy tsy ara-drariny voatanisa etsy ambony ireo.

Mahafantatra an’izany ny Filohan’ny Oniversiten’ny Fianarantsoa ; ary mahafantatra an’izany koa ny Minisitra ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa. Kanefa dia voatolo-bato mafana ary dia nihinana ambolony ny Conseil des Ministres ka namoaka ny « Décret de nomination » ny olona lazaina hoe lany tamin’ny fotoan’androm-pifidianana io. (Décret n° 2022-1497 du 02 Novembre 2022, portant nomination au poste de Directeur de l’École Doctorale de Géochimie et Chimie Médicinale de Fianarantsoa de Monsieur RABESIAKA Maholy Rivo Jean)

(Soa ihany fa) « Dans une situation à risque et/ou catastrophique, il y a toujours des opportunités » hoy ny fitenin’ ny miaramila vazaha. Ka namoaka didy ny Conseil d’Etat tamin’ny 04 desambra 2024 nanafoana io Decret de nomination io. (Arrêt N°227-SP3 du 04 décembre 2024 du Conseil d’Etat)

Tonga indray anefa ity ny fifidianana vaovao ny 28 febroary 2025 lasa teo. Eo ampelatanan’ ny Minisitra sy ny Filohan’ny Oniversite ary io olona voalaza fa lany io tsara anefa io Didin’ny Conseil d’Etat io satria dia Huissier de justice no nanatitra azy. Akory anefa ny fahatairana fa dia mbola nasaina nandray anjara tamin’ny fifidianana tsy nisy mpifaninana io olona io ka lany soa aman-tsara ; nafempenina daholo ny fikarakarana rehetra. Tsy niova anefa ny mpitsompitson’ny tsy fanarahan-dalana araka ny voalaza tetsy amboalaohany ka nahatonga ny Conseil d’Etat nanafoana ilay Décret de nomination voalaza tetsy ambony. Fa dia mbola nikiribiby ihany ryzareo tsy niandry fandaminana mifanaraka amin’ny « Textes en vigueur ». Ary tsy nisy toromarika mazava koa niainga avy tany amin’ny Minisitra, raha toa ka amin’ny sehatra ny « administration » izany dia tokony ho antsoratra daholo ny toromarika sy fifandraisana (correspondances) rehetra.

Mipetraka ny fanotaniana : « Mbola hanaiky hihinana ambolony indray ve ny Conseil des Ministres amin’ity indray mitoraka ity ka mbola hanaiky hamoaka « Décret de nomination » vaovao fanindroany indray ? Tena tsy misy dikany ve izany ny Didy avoaka ny Conseil d’Etat ? »

Mampanahy ny teo-draharaha sy ny hoavin’ny Ecole Doctorale, ny Oniversite sy ny Ministera ary ny taranaka satria dia ny ambony tokony hanome modely tsara indray ity no manome ohatra mampivarahotsana tsy azo eretreretina toy izao.

Pr RAFANOMEZANTSOA Roger Marie

Professeur Titulaire de Classe Exceptionnelle

Téléphone : 03435 579 85

E-mail : jusrajaka@gmail.com

Vous aimerez aussi