“EXCELLENCE-INSTITUT SUPERIEUR DU TOURISME ET DE L’HOTELLERIE” : Mandray anjara amin’ny “Salon de la Rentrée Universitaire”

Anisan’ireo mandray anjara amin’ilay “Salon de la Rentrée Universitaire” izay tanterahana eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ny alatsinainy 25 sy ny talata 26 aogositra 2025, ny “Excellence-Institut Supérieur du Tourisme et de l’Hôtellerie” izay manana ny foiben-toerany eny Faravohitra. Mandritra ireo fotoana ireo dia mampahafantatra ny momba ny “Entrée L1-L2-L3” miampy ny “Formation Initiale” sy ny “Formation à distance” amin’ny “L3” ary ny “Altérnance” ity Sekoly Ambony tsy miankina ity. Ankoatra izay dia mbola handray anjara amin’ny “Salon Publika” izay “Salon de l’Etudiant et de l’Emploi” eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny talata 26 ka hatramin’ny alakamisy 28 aogositra 2025, ny Sekoly Ambony tsy miankina “Excellence- Institut Supérieur du Tourisme et de l’Hôtellerie”. Ho hita eny an-toerana mandritra ireo telo andro ireo ny mahakasika ny toerana momba ny asa izay afaka atolotry ny Sekoly. Afaka tonga dia mitondra ny momba azy ireo mpitsidika amin’izany. Afaka mitondra taratasy fangatahana asa araka izany ny tsirairay satria manana ireo mpiara-miasa aminyizay mitady mpiasa, ny “Excellence-Institut Supérieur du Tourisme et de l’Hôtellerie”, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi