“EXCELLENCE-INSTITUT SUPÉRIEUR DU TOURISME ET DE L’HOTELLERIE” : Manofana momba ny lafiny fizahan-tany sy ny trano fandraisam-bahiny…

Sehatrasa iray mbola tena malalaka tsara ny lafiny fizahan-tany amin’izao fotoana izao raha ny eto Madagasikara no resahana. Ity sehatrasa iray ity rahateo no anisan’ireo mampiditra vola betsaka indrindra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana no mampiroborobo ny toe-karena ihany koa eto amintsika.

Na efa mihamahazo vahana aza izany sehatrasa izany ankehitriny dia mbola vitsy ireo Sekoly Ambony sy Oniversite tsy miankina no mampiofana ny mahakasika ity lafiny fizahan-tany ity eto Madagasikara. Maro anefa ireo tanora no liana amin’ity lafiny fizahan-tany ity ka te hanao azy ho antom-pivelomana. Noho ny fahafantaran’ny “Excellence-Institut Supérieur du Tourisme et de l’Hotellerie” ny filan’ny tanora mpianatra ankehitriny io indrindra no nahatonga ity Oniversite tsy miankina ity hitondra ny anjara birikiny eo amin’izay fanohanana ny tanora mpianatra vonona ny handranto fahaizana amam-pahalalana momba ny lafiny fizahan-tany izay. Ny Oniversite tsy miankina “Excellence-Institut Supérieur du Tourisme et de l’Hotellerie” izay manofana momba ny lafiny fizahan-tany sy ny trano fandraisam-bahiny. Manana kalitao tsara sy ny fomba fampianarana mahomby izay tsy mena-mitaha mba hahatonga ireo mpianatra ho matihanina eo amin’izay lafiny fizahan-tany izay ny Oniversite.

Manana ny diplaomam-panjakana mifanaraka amin’ny fenitra takiana ara-panjakana ihany koa ny Oniversite tsy miankina “Excellence-Institut Supérieur du Tourisme et de l’Hotellerie”. Na izany aza anefa dia tsy ny rehetra no afaka misehatra eo amin’izay lafiny fizahan-tany izay fa izay vonona ny hifehy sy hahafehy izay tontolon’ny fizahan-tany izay ihany. Ny farany volana septambra 2025 no hifarana ny fisoratana anarana ao amin’ny Oniversite “Excellence-Institut Supérieur du Tourisme et de l’Hotellerie” izay manana ny foiben-toerany eny Faravohitra. Ny 7 oktobra 2025, ny fidirana ho an’ny taom-pianarana 2025-2026 ao amin’ity Oniversite ity, araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina sady mpitantana ny Oniversite “Excellence-Institut Supérieur du Tourisme et de l’Hotellerie”,  Ramaholison Miarana.

Vous aimerez aussi