Ny taona 1997 no nanomboka nikirakira mozika ny tarika Raboussa raha ny taona 2000 no niaka-tsehatra voalohany. Izany hoe: hankalaza ny faha-25 taona nizarana mozika aman-jatony tamin’ireo mpankafy azy, ny tarika, amin’ity taona ity. Anton’ilay fampisehoana tokana, hotanterahan’ny tarika Raboussa, eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 31 aogositra 2025. Ireo hira rehetra nahafantarana ny tarika Raboussa hatramin’izay ka hatramin’izao araka izany no hovetsoina eny an-toerana mandritry ny ora 3, amin’io fotoana io. Santionany amin’izany ry “Tsiambaratelo”, “Tsiky sy tomany”, “Te ho any aminao”, “Mandrapihaona”…
Tsy hijanona amin’io ivon’ny fankalazana io, ny faha-25 taonan’ny tarika Raboussa, fa hisy ihany koa ny fampisehoana goavana hotanterahan’izy ireo, any Antsirabe sy any amin’ny Nosy Maurice. Ity tarika izay anisany nanome lanja ny mozika Malagasy amin’ny alalan’ny gadona “Hip Hop” sy ny “Rap” ity dia manolotra ny mozika izay tsy foronina ihany fa misy amin’izy ireo no niainan’ny olombelona any anaty fiaraha-monina, na mitantara ihany koa ny andavanandrom-piainan’izy ireo, ny resaka fitiavana sy ny hatezerana. Ny fizarana mozika no tena hibahan-toerana mandritry ny fankalazana ankoatry ny mari-pahatsiarovana toy ny “Tee-shirt” izay ahitana ny tononkiran’ny tarika Raboussa. Fanamafisan’ny tarika Raboussa ny fihaonana amin’ny mpankafy azy araka izany ity fankalazana ny 25 taonany ity.
Mpanakanto maro no asaina handravaka ity fankalazana ny faha-25 taona niakaran’ny tarika Raboussa an-tsehatra ity. Ny “SR Event” no hikarakara ity fampisehoana hankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika Raboussa ity. Ao amin’ny tranokla “www.srevent.mg” sy eny amin’ny “Super Music” Analakely no hanjifana ny tapakila ho an’ireo maniry hanatrika ny fampisehoan’ny ivon’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika Raboussa, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny tompon’andraikitra mpikarakara ao amin’ny “SR Event”, ny alarobia 21 may 2025, teny Mahamasina, nandritry ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety.


