« FAHANO NY SAINA SY NY FANAHY » : Gazety boky Kristianin’ny “Madagascar 3M”

Ny famoahana ny Gazety boky Kristianina «Fahano ny saina sy ny fanahy» no nampahafantaran’ny fikambanana “3 M publishing” teny amin’ny foiben’ny Kristianina «Madagascar 3M» eny Ambatoroka, ny talata lasa teo. Izy ity izay hahitana pejy 50 ka avoaka ho an’ny daholobe isaky ny telo volana. Vina apetraka ny hanakaran’ny kristianina ny tenin’ny Soratra Masina amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny kolontsaina tia vaky boky.

Tanjon’ny «Madagascar 3M» ny hampitombo ny fitiavan’ny Malagasy ny kolontsaina tia mamaky boky ka hampiely ny foto-piheverana Kristianina sy ny fitaizana ara-panahy. Na izany aza dia misy vokatra fanadihadiana sy vaovaom-piangonana ao anatin’ity gazety boky ity. Ireo mpino Kristianina malagasy mangetaheta fianarana Baiboly no tena nokendrena amin’ny famoahana voalohany ny gazety boky na azon’ny rehetra vakiana aza izany. Izy io ihany koa dia nampifanarahana amin’ny fampitan-kevitra ho an’ny andavanandron’ny besinimaro. Tsy mifidy anaram-piangonana na antokom-piangonana ny gazety boky Kristianina «Fahano ny saina sy ny fanahy». Izy io izay manana foto-pinoana mametraka an’i Jesoa Kristy ho Tompo, lalana sy fahamarinana ary fiainana ka afaka mamaky azy avokoa araka izany ny rehetra.

Ar 7.000 no hivarotana ity gazety boky ity amin’izao fotoana izao. Afaka mivarotra azy ity avokoa ireo fiangonana rehetra te hivarotra izany ankoatran’ny eny foiben’ny Kristianina «Madagascar 3M» Ambatoroka, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny “Madagascar 3M”, Pasitera Ravoahangy Faly.

Vous aimerez aussi