Tafakatra 83 ireo namoy ny ainy vokatry ny loza an-dranomasina izay naharendrika ny sambo M/S Francia III ny alatsinainy 20 desambra 2021 lasa teo. 138 ireo mpandeha noentin’ity sambo ity ka 50 tamin’izy ireo no avotra aina. Olona 05 kosa no tsy mbola hita hatramin’ny alarobia 22 desambra.
Niala tamin’ny 2 ora maraina tao Antanambe, « 22 nautics » atsimon’i Mananara Avaratra, ary nianatsimo hiazo ny distrikan’i Soanierana Ivongo ity sambo tsy nahazo alalana hitondra olona ity no tra-doza ka rendrika tao Antsiraka, eo anelanelan’i Sainte Marie sy Soanierana Ivongo.
Fitaterana an-tsokosoko
Misy fepetra horaisina mahakasika ireo sambo maro izay fantatra fa mitondra olona an-tsokosoko. Isan’izany ity sambo « Francia » ity izay sambo fitaterana entana fa tsy fitaterana olona ary tsy manana fahazoan-dalana hitatitra olona raha ny taratasy mikasika azy no jerena. Raha ny habeny sy ny tanjany dia tokony mpanamory miisa telo sy olona miisa 20 farafahabetsany no zakany kanefa dia nitatitra olona manodidina ny 138 ity sambo ity ka nahatonga izao loza izao. Tany Antanambe Mananara moa ity sambo ity no niainga izany hoe niondrana an-tsokosoko fa tsy niainga tany amin’ny toerana fiaingan’ny sambo manara-dalàna.
Hisy ny « état des lieux » an’ny fitaterana an-tsambo an-tsokosoko ahafahana mamantatra ny zavamisy eo amin’io sehatra io.
Fanadihadiana na « enquête » sy sazy
Hisy ny fanadihadiana na « enquête » mahakasika io raharaha io ary indrindra mikasika ireo rehetra tompon’andraikitra nahatonga izao voina izao. Horaisina ireo fepetra mifanaraka amin’ny valin’izany fanadihadiana izany. Avy hatrany anefa dia tsy mahazo miasa intsony amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina ny tompony sy mpamily io sambo io izay efa eo an-dalam-pikarohana ankehitriny.
Mikasika ireo razana hita
Tsy ampy ny vaovao na « informations » mikasika ireo olona namoy aina tamin’ity loza ity ka lasa sarotra ny mamantatra ny mombamomba azy ireo. Ny razana anefa dia efa manomboka mihasimba tsikelikely.
Ho fanamorana ny hahafantarana ny momba ireo olona namoy aina nandritran’ny firendrehan’ny sambo Francia dia halaina sary sy asiana laharana na « numéro » tsirairay ireo razana ireo ahafahana manampy ny fianakavian’izy ireo izay mety mbola an-dalam-pikarohana ny havany tsy hita ankehitriny. Hapetraka ny lisitra misy ny anaran’izay razana nahitana karapanondro.
Horaisin’ny Fanjakana an-tanana ny fanaovana ny vatapaty hametrahana ireo razana. Ary tokony ho tonga anio amin’ny 6 ora maraina any Soanierana Ivongo ireo razana rehetra hita tao Sainte-Marie. Entanina izay fianakaviana manana ahiahy fa mety anisan’ireo nandeha tamin’ny sambo « M/S Francia III » ny havany mba hihazo an’i Soanierana Ivongo. Andrasana hatramin’ny zoma ireo razana ireo ary dia tsy maintsy halevina raha sanatria tsy misy fianakaviana maka.
Mikasika ny deuil national na Fisaonam-pirenena
Mandritra ny Fisaonam-pirenena ny alakamisy 23 desambra dia tsy hakarina hatramin’ny farany ny sainam-pirenena rehetra (Drapeau en berne). Hisy ihany koa ny iray minitra fahanginana na « une minute de silence » hatao amin’ny 11 ora.
Hisy fanompoam-pivavahana fahatsiarovana na Messe de requiem hotanterahina any Soanierana Ivongo kosa ny tolakandro.
Fanampiana manokana sy fampahafantarana ireo niharam-boina
Hisy ny fanampiana manokana omena ireo olona rehetra niharam-boina ireo na ny fianakavian’ireo izay namoy ny aina. Hisy ny famoahana amin’ny haino amanjerim-panjakana TVM mikasika ny « identité » na ny mombamomba azy sy ny sarin’ ireo olona hita razana ka nanana karapanondro.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.




