Tranga mbola mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny fanapoizinana ara-tsakafo niniana natao sy ny poizina azo avy amin’ny sakafo na ny “Botulisme” izay niseho teto amintsika, ny volana jona lasa teo. Zava-nisy izay nandripaka ain’olona maro na ho an’ny teto afovoan-tany na ho an’ny tany amin’ny faritra. Ny sakafo hohanina sy ny fomba fisakafoanana ary ny rano sotroina izay tokony hotandreman’ny tsirairay hatrany noho izy ireo saro-pady ho an’ny fahasalamana.
Laharam-pahamehana ihany koa ny fahadiovana izay tena misy fenitra arahana mihitsy. Tokony hisasa tanana hatrany mantsy ny tsirairay rehefa avy nanao maloto indrindra fa mialoha ny hisakafo sy rehefa hikarakara sakafo hohanina. Ny rano ihany koa dia tokony hampangotrahana hatrany vao sotroina mba tsy hankarary. Ny sakafo izay tehirizina dia tsy tokony hajanona ela loatra mba tsy hampivadika azy ho poizina. Ny poizina azo avy amin’ny sakafo na ny “Botulisme” mantsy dia mahafaty haingana noho izy mampalemy ny hozatra ao amin’ny vatana. Avy amin’ny bakterie antsoina hoe: “Clostridium botulinum” miteraka poizina eo amin’ny sakafo notehirizina izy io. Na izany na tsy izany anefa dia tsara hatrany ny manatona mpitsabo raha sendra misy ny tampoka tsy azo anoharana mba hisorohana ny fahafatesana raha tsy voatsabo haingana, araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina.
