Mba ho fampitomboana hatrany ny fahalalana eo amin’ireo mpampianatra eny amin’ny Liseam-panjakana dia nampiofana azy ireo teny amin’ny « Lycée Nanisana » ny avy eo anivon’ny « ECPAT France Madagascar », ny alarobia 5 sy ny alakamisy 6 martsa 2025. Anjaran’ireo mpampianatra tao amin’ity « Lyce Nanisana » ity araka izany no nandray ny fampiofanana tamin’ireo roa andro ireo raha efa nahazo ny anjarany tamin’izany ireo mpampianatra amin’ny Liseam-panjakana hafa. Ity fampiofanana teny amin’ny « Lycée Nanisana » ity izay niompana tamin’ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana. Tanjon’ny fampiofanana ny hanitarana ny fahaizan’ireo mpampianatra ireo eo amin’izany lafiny zo ara-pananahana izany mba hisorohana ny vohoka aloha loatra. Eo ihany koa ny mba hahafahan’ireo mpampianatra ireo manentana ny mpianatra hanana toe-tsaina hamita ny fianarany hatramin’ny farany sady mba ho salama hatrany. Io fahasalamana sy zo ara-pananahana io izay tena ilain’ireo mpampianatra sy ireo mpianatra ireo amin’izao vanim-potoanan’ny fivoaran’ny ankehitriny izao. Efa tafiditra ho fandaharam-pampianarana rahateo izany amin’izao fotoana izao. Efa maro rahateo ankehitriny ireo liana amin’ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny ankizy. Izy io izay azo tanterahina tsara saingy tsy azo hanaovana fanandramana indrindra fa ireo fitaovana ampiasaina sy ilaina amin’izany. Noho ny fiaraha-miasan’ny « ECPAT France-Madagascar » sy ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena no nahafahana nampisitraka izao fampiofanana ny mpampianatra avy amin’ireo Liseam-panjakana maro izao. Ity fampiofanan’ny « ECPAT France Madagascar » ity izay tafiditra indrindra ao anatin’ny « Andro maneran-tany amin’ny ady atao amin’ny fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy » sy ny « Herinandron’ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy », araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fanetsehana fiaraha-monina ao amin’ny “ECPAT France Madagascar”, Rakotonirina Fanirisoa.
