Mitsingerina amin’ity taona 2020 ity ny faha- 73 taonan’ny tantaran’ny tolompanafahana 29 martsa 1947, nataon’ireo tia tanindrazana malagasy niadiana tamin’ny mpanjanantany frantsay. Maro ireo hetsika hanamarihana izany toy ny fampirantiana an-tsary omban-tsoratra mitety ireo toeram-panabeazana eto an-drenivohitra sy ny manodidina…
Ampahafantarana ny taranaka
Ireo Lycée eto an-drenivohitra no hifandimby hampiantrano ny fampirantiana, hoy ireo mpikarakara. Tanjona ho amin’izany ny hampahafantatra amin’ireo taranaka ny tantaram-pirenena mba ahafahana mikolo ny afon’ny fitiavan-tanindrazana amin’ireo taranaka mpandimby. « Tolom-panafahana 1947 : Ilo tsy very enti-mampandroso ny firenena », io rahateo no teny manentana nofinidy hoentina manamarika ny faha- 73 taona nitsingerenanan’ny tolompanafahana 29 martsa 1947.
Ny LTC Ampefiloha no nisantatra ny fampirantiana, ny talata 17 martsa lasa teo. Nitohy teny amin’ny LMA Ampefiloha izany, ny alarobia 18 martsa, ny Lycée Ambohimanarina, anio alakamisy 19 martsa. Hamaranana ny fampirantiana kosa, rahampitso zoma 20 martsa, ny eny amin’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo Analakely. Ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no tomponantoka amin’ny fanatanterahana ny hetsim-pankalazana rehetra.
