FAMETAHANA JIRO ENY AMIN’NY ROVAN’I MADAGASIKARA : Miara-miasa ny “ORMada” sy ny “Groupe Filatex”

Fifanaovan-tsoniam-pifanaraham-piaraha-miasa mahakasika ny fametahana jiro, eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, no notontosain’ny « Groupe Filatex » sy ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny 12 may 2025, teny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Fametahana jiro izay entina manazava ny manodidina ny Rovan’i Madagasikara. Jiro mifanaraka amin’ny taotrano sy ny vakoka eny amin’ny Rovan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fanamboarana sy ny fanamafisina ireo jiro ireo araka izany no tetikasa hotanterahana. Jiro mazava sy hiaka farany amin’ny teknolojia avo lenta ireto apetaka eny amin’ny Rovan’i Madagasikara mialoha ny farany taona ireto. Mety hiteraka tsy fandriam-pahalemana eny amin’ny Rovan’i Madagasikara satria mahatonga ireo olona mitsofoka antsokosoko eny an-toerana ny tsy fisian’ireo jiro manazava ireo faritra sasany eo amin’ny Rovan’i Madagasikara. Antony nangatahana ny fiaraha-miasa tamin’ny « Groupe Filatex » mba hahafahan’izy ireo manampy antsika amin’ny fitandroana ireo toerana ahiana amin’izay fidirana antsokosoko eo amin’izay toerana tsy voazavan’ny jiro izay. Ny any amin’ny faritra atsinanan’ny Rovan’i Madagasikara no tena tsy mazava fa mitohy hatrany amin’ny fiangonana izany izay mahatratra « 250 lineaires » no hazavaina amin’ireo jiro fanazava hiaka farany ireo, araka ny fanazavan’ny « Conservatrice ORMada », Rajaonarison Niry.

Mitohy hatrany ny ara-tsosialin’ny “Groupe Filatex”

Ny « Groupe Filatex » izay tsy vao izao no nanolo-tanana ny teto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa efa taona vitsivitsy izao. Manaporofo izany ny fitondrany anjara biriky tamin’ny fanatontosana ny andiany fahadimy tamin’ny “COI”. Jiro fanazavana toerana ho an’ny besinimaro miisa 400 no napetraky ny “Groupe Filatex” teto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mitohy araka izany fanampiana izany ka izao nitarina tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina izao ny tetikasa. Ny “Groupe Filatex” dia miaro ny vakoka Malagasy amin’ny alalan’ny fanohanana izany. Manana angom-bokatra afaka ampindramina ireo mila izany ny “Groupe Filatex”. Ny tale jeneralin’ny “Groupe Filatex” izay manam-paniriana manangona ireo vakoka Malagasy ireo mba haverina eto amintsika entina hampisandratana izany vakoka Malagasy izany. Ny “Groupe Filatex” araka izany dia mifanaraka amin’ny Rovan’i Madagasikara hampindrana ireo vakoka ireo. Ny “Groupe Filatex” dia manatanteraka fifanarahana amin’ireo tompon’andraikitra mpikarakara ny Rovan’i Madagasikara eo amin’izao fandraisana an-tanàna ny fametahana ny jiro fanazavana ny Rovan’i Madagasikara izao. Asa be izany hoe: manangona vakoka Malagasy very any ivelany izany satria betsaka ny asa tanterahana. Ny “Groupe Filatex” dia manohana ny ezaka hanatsarana ny Rovan’i Madagasikara satria tena tondro famantarana ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny Rovan’i Madagasikara. Vina lavitr’ezaky ny “Groupe Filatex” ny fanatsarana ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fifandraisana amin’ny besinimaro ao amin’ny « Groupe Filatex », Ramaromandray Tahiana.

Vous aimerez aussi