FAMPANDROSOANA MAHARITRA ENY ANOSY AVARATRA SY AMBOHIBAO AVARATRA : Notohanana tamin'ny alalan'ny tetikasa FPMMF-Fpmmf Gasikara

Amin’ny alalan’ny Tetikasa FPMMF-Fpmmf Gasikara no nanatontosana ny fanohanana ny Fampandrosoana Maharitra eny Anosy Avaratra sy Ambohibao Avaratra izay eto amin’ny faritra Analamanga. Fampandrosoana maharitra izay niarahan’ny mpiara-miombon’antoka vahiny dia ny fikambanana FPMMF avy any Frantsa sy ny “Crédit Coopératif” ary ny Fpmmf-Gasikara. Nampifandray ny fanabeazana sy ny sakafo ary ny angovo maharitra ny Tetikasa FPMMF-Fpmmf Gasikara.

Fanamby lehibe miisa telo no napetraky ny tetikasa izay notarafina tamin’ny alalan’ny tanjon’ny Firenena Mikambana dia ny fanafoanana ny hanoanana sy fampiroboroboana ny fambolena maharitra. Ny fanabeazana mitovy lenta sy manampy fahaiza-miaina ho an’ny rehetra. Ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina sy mahomby amin’ny vidiny takatry ny rehetra. Nikendry tanteraka ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina amin’ny fomba maharitra sy mifanaraka amin’ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra (ODD) araka izany ity tetikasa ity. Manampy ny fianakaviana hanana fivelomana maharitra. Mampiroborobo ihany koa ny fanabeazana mitondra vokatra. Mampiditra ny angovo madio ho fototry ny fandrosoana eny ambanivohitra. Naharitra 12 volana ny tetikasa. Nanomboka amin’ny 29 novambra 2022 izany ka hatramin’ny 29 novambra 2023, taorian’ny fanitarana iray volana noho ny olana ara-bola kely teo aloha.

Asa lehibe notontosain’ny tetikasa ny fanamafisana ny toerana-pilotra izay nanofanana tantsaha sy mpikambana amin’ny fikambanana. Anandramana ny tetikasa modely amin’ny sehatry ny fiompiana sy fambolena, ihany koa. Ny fifantenana sy fanohanana ireo fianakaviana manana tetikasa ara-barotra kely (AGR), amin’ny fanofanana sy fanaraha-maso akaiky. Ny fametrahana fitaovana amin’ny angovo madio, toy ny herin’ny masoandro sy “biogaz” mba hanatsarana ny fiainan’ny fianakaviana sy ny famokarana. Manodidina ny 350 ny nisitraka ny tetikasa. Nahatratra192 ny isan’ireo vehivavy raha 1. 400 ny mpisitraka tsy nivantana. Izy ireo izay avy amin’ny fianakaviana miisa 70. Nahitana fianakaviana niisa 50 mpandray anjara amin’ny tetikasa AGR. Ekipa mpitantana niisa 5. Mpiasa niisa 6 miasa isan’andro amin’ny tetikasa. Teknisianina sy mpiasa niisa 10 amin’ny fikojakojana ny toerana sy fitaovana. Ny fitaovana sy ny loharanon-karena.

Napetraka rahateo ny fitaovana fiarovana toy ny fefy sy fakantsary fanaraha-maso. Ny fitaovana angovo azo havaozina (biogaz sy masoandro). Ny rindranasa informatika sy “kit pédagogique”. Ny toby fiompiana sy fambolena toy ny “poulailler” sy ny toeram-pitrondroana ary rary tantely. Ny fiara 4×4 ho an’ny fitsidihana eny ifotony sy fanaraha-maso. Ny ekipa sy ny fananganana asa. Nifototra amin’ny fiaraha-mientan’ny mpiasa sy mpilatsaka an-tsitrapo ny tetikasa. Efa misy ny mpiasa niisa 4 maharitra sy mpanara-maso 2 amin’ny faritra roa. Ny mpikambana an-tsitrapo niisa 8 ao avy amin’ny FPMMF sy Fpmmf-Gasikara. Ny mpiasa vonjimaika arakaraka ny asa, toy ny masona, “menuisier” sy ny elektrisianina ary ny mpamboly. Efa niteraka asa vaovao ihany koa ny tetikasa. Tombanana ho 140 asa maharitra sy 140 asa vonjimaika amin’ireo fianakaviana misitraka tombontsoa, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi