Ny 11 jona 2025 no hanatanteraka fampisehoana goavana eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny mpanakanto Tiakola. Fampisehoana izay karakarain’ny “Nas Production” sy ny “KP Event”.
Tanjon’ity mpanakanto mpanao “rap” teratany Afrikanina ity amin’izao fampisehoana goavana eto Madagasikara izao ny hanentanana sy ny hanolo-tanana ary hampirisika ireo tanora mba hiroso lalina kokoa amin’ny asa famoronana sy ny kolontsaina ary ny soatoavina. Antony hitondrany anjara biriky amin’ny fizarana mozika amin’ireo tanora.
Misy ny fandaharanasa hampiofanana amin’ny seha-pihariana manodidina ny zavakanto sy ny fikarakarana hetsika momba izany mba ho fandrisihana ny tanora. Izy io izay tanterahana amin’ilay tetikasa “Horizon Madagascar”. Ireo tanora liana amin’ny asa momba ny kanto ihany koa kanefa mbola mianatra dia hasongadina amin’ilay sehatry ny fianarana asa mivantana avy hatrany izay arahana fampiharana asa. Ity mahakasika ny fivoaran’ny tanora ity izay hotanterahana amin’ilay tetikasa “Masterclass”. Ny fanomezana sehatra ireo tanora manan-talenta kosa no hovoizina amin’ny tetikasa “Tremplin Horizon Madagascar”. Ireo voasafidy amin’izany dia handray anjara amin’ny tapany voalohany amin’ity fampisehoana goavana izay sady sambany hotanterahan’i Tiakola eto amintsika ity. Hisy ihany koa ny hetsika miompana amin’ny tontolo iainana. Tiakola izay miezaka mitondra avo ny mozika ankafizin’ny tanora manerana izao tontolo izao.
Tontosa soa aman-tsara izao tetikasa rehetra izao noho ny fiaraha-miasan’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena sy ny “Nas Prod” ary ny “KP Event”. Mpanohana ofisialy ity fampisehoana goavana ity ny “Orange Madagascar”, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara, ny alarobia lasa teo, teny amin’ny “Orange Digital Center” Soarano.
