« Mafy loha ny Malagasy », io no nambaran’ny mpitandro ny filaminana manoloana ny tsy fanajan’ny Malagasy ny fepetra tokony tsy hivoahana ny trano, mandritra ny 14 andro. Fepetra entina isorohana ny mety ho fihanaky ny coronavirus ao anatin’ny fotona fohy.
Mila fifehezan-tena
Mitaky fahatsiarovan-tena sy fifehezan-tena matotra avy amin’ny tsirairay ny fahafahana mifehy haingana ny mety ho fihanaky ny « covid- 19 » eto amintsika. Tokony ho hajaina hatrany, araka izany, ny fihibohana sy ny fanalavirana ny fitangoronana ary ny fanajana ny elanelana iray metatra raha toa ka voatery tsy maintsy hivoaka ny trano. Nanamafy ireo mpitandro ny filaminana fa handray fepetra hentitra kokoa amin’ny fampiharana ny fihibohana rehefa tsy mahatsiaro tena sy tsy hahafehy ny tenany ny tsirairay.
Anisan’ny fitaovana efa nampiasain’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena teny Ivato ny aliaka mpitsongodia nentina nanaparitahana sy nampodiana ireo olona mbola nifamoivoy teny an-dalambe taorian’ny mitatao vovonana. Mahamenatra ihany raha toa ka tonga hatramin’izany ny fomba entina hampanajana ny fepetra fihibohana sy ny tsy fahazoana mitangorongorona etsy sy eroa. Mila tonga saina Ramalagasy fa lahitokana mantsy ny aina ary tsy misangy ny valanaretina covid- 19.
