FANAMAITSOANA INDRAY AN’I MADAGASIKARA : Namita ny adidy fambolen-kazony ny antoko fivoi

Vahaolana iray entina hanarenana ny fiovaovan’ny toetry ny andro maneran-tany ny fambolen-kazo. Ny hazo izay mitana andraikitra maro eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny zanak’olombelona. Laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, ny fambolen-kazo. Tanjona ny hisorohana ny fiovaovan’ny toetrandro noho isika firenena marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetry ny andro.

Velaran-tany kely ihany koa sisa no misy ala eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ala miisa 100.000 isan-taona no may eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, AndonirinaMax Fontaine; ny volana desambra lasa teo. Ankoatran’ny fitondram-panjakana dia tsy mikely soroka mitondra ny anjara birikiny eo amin’izay fambolen-kazo izay ihany koa ireo fikambanana maro isan-karazany sy ny  antoko politika eto amintsika. Anisan’ireo nanatontosa ny adidiny tamin’izany fambolen-kazo izany ny antoko politika Fivoarana ivoaran’ny eny Ifotony na ny fivoi. Ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny fokontany Ambatonapoaka eny amin’ny kaominina Imerintsiatosika, no nanatontosan’izy ireo izany  fambolen-kazo izany. Fambolen-kazo izay notarihin’ny filoha nasionalin’ny Antoko fivoi, ny solombavam-bahoakan’ny distrikan’Arivonimamo, Rajerison Antoine sy ireo solombavam-bahoaka miisa 3 izay miara-dia aminy. Notronin’ireo Ben’ny tanàna voafidy tamin’ny antoko politika fivoi rehetra ity fambolen-kazon’ny antoko ity. “Ny fambolen-kazo izay tsy tokony handanian’ny fitondram-panjakana vola be tsy toko tsy forohana raha midina ifotony izy ireo. Io fiverenena “Andoharano” io ihany mantsy no hahazoana fahombiazana  raha te hampandroso isika. Amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ny mponina no hanatanterahana izany.

Ankoatra izay dia ny fizarana zanakazo amin’ireo fokontany mandrafitra ny kaominina no tokony ho himasoan’ny fitondram-panjakana mba hanamaitsoana indray ny firenena. Ireo vondron’olona eny ifotony amin’izay fotoana izay no hanatanteraka ny fambolen-kazo isam-pokontany. Harahana fanaraha-mason’ireo zana’kazo novolena izany avy eo, hoy ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny Antoko fivoi, Rajerison Antoine.Velaran-tany mirefy 75. 000ha no ho vinavinain’ny fitondram-panjakana ho rakofana ala mandritra ity taom-pambolen-kazo  2024-2025 ity. Ny Alatsinainy 16 desambra 2024 no nanomboka ny taom-pambolen-kazo ho an’ny taona 2024-2025 raha ho antsika eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi