Solombavambahoaka roa amin’ireo 151 no hany mba nanao fanambaram-pananana teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hatreto.
Loholona 4 vaovao sy Minisitra iray koa no mbola tsy nahatontosa izany, taorian’ny fanovana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta.
Fantatra moa fa sazy enim-bolana ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina, miampy onitra 50 ka hatramin’ny 200 tapitrisa Ariary no tokony hefain’izy ireo amin’izany.
Tokony ho modely
Olon’ny mpanao lalàna ny solombavambahoaka sy ny loholona ka tena tokony ho modely amin’ny fanarahan-dalàna.
Araka ny lalàna nivoaka ny 22 aogositra 2016, izay mifehy ny ady amin’ny kolikoly dia heloka ny tsy fanaovana io fanambaram-pananana io.
Araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana dia mila manao ity fanambaram-panana ity ireo olona ambony : Filoham-pirenena, ny Praiminisitra, ny Minisitra, ny Sekreteram-panjakana, ny Depiote, ny Senatera, ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.
Ny 02 jolay 2019 no voafidy ireo Solombavambahoaka 151 ka ny 16 jolay no nandraisany ny asany ara-pomba ofisialy. Ao anatin’ny telo volana nandraisany ny asany no tokony hatao izany fanambaram-pananana izany. Izany hoe tapitra ny 16 oktobra ho avy izao ny fe-potoana voalazan’ity lalàna ity.
Nanaiky hiady amin’ny kolikoly
Fanjakana tsara tantana ao anatin’ny fangaraharana no ambeti-teny ankehitriny. Indrindra fa anisan’ny firenena nanaiky ka nanao sonia amin’ny ady amin’ny kolikoly teo anivon’ny Firenena Mikambana i Madagasikara kanefa ny lehibe ao aminy aza tsy manaraka ny lalàna.
Marihina moa fa eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy eny amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (na Bianco) no hanaovana izany fanambaram-pananana izany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.