FANAMBARAN’NY RODOBEN’NY FIRAISAMONIM-PIRENENA ETO AMIN’NY FARITRA DIANA mikasika NY TERRES RARES AO BITAIMBOAY HO AN’NY MPITONDRA FANJAKANA MALAGASY SY IZAY REHETRA MIKASA HITRANDRAKA AN’IO

Manoloana ny vaovao samihafa mampiseho ny fivoaran’ny mety hitohizan’ny fitrandrahana « Terres rares » ao amin’ny faritra Saikanosy Presqu’île d’Ampasindava –Secteur Bitaimboay – Fokontany Ankotsopo – CR Ambaliha – Distrika Ambanja – Région DIANA dia manao izao fanambarana izao izahay OSC mitambatra ato DIANA :

Efa an-taonany maro no nanoheran’ny vahoaka any ifotony voakasika mivantana io tetikasa fitrandrahana io satria efa ela no fantany avy amin’ny loharanom-baovao samihafa fa tsy misy tombotsoa fa fahoriana ny ho fiantraikan’ny fitrandrahana terres rares amin’ny lafiny ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamana ary ara-ekonomika sy sosialy.

Ny fahapotehan’ny zavaboahary rehetra eo akaiky sy ny manodidina lavidavitra ary ny loto miteraka aretina sy loza samihafa vokatry ny akora simika mitera-doza (toxiques) isa-karazany izay ampiasaina amin’ny fitrandrahana, miampy ireo avoakan’ny akora fongarina avy ao ambanin’ny tany, ka manimba ny rivotra sy ny rano manjary tsy ho azo iainana, no nahatonga ny firenena maro tsy hitrandraka ny terres rares any aminy intsony nandritry ny taona maro.

Fanampin’ireo fanimbàna tanteraka ny tontolo iainana sy ny zava-boahary ireo dia ho fongana tanteraka ny tany sy fambolena izay loharanon-karen’ny mponina eny an-toerana sady antom-pivelomany ara-pomban-drazana.

Mialohan’izay, raha sanatria miroso ny fitrandrahana, dia efa mitatao ambony lohan’ny mponina ny fanalàna azy amin’ny tanindrazany izay nolovain’izy ireo tamin’ny Razambeny fahizay mandrakin’ny ity androany sy izay nanaovan’izy ireo maintimolaly mandritra ny taona sy taon-jato maro teo an-toerana.

Ny faritra DIANA manontolo no ho simba sy hanjary hahantra fadiranovana fa ny firenena manontolo no very fidiram-bola sy loharanon-karena raha miroso ny tetikasa fitrandrahana terres rares satria anisan’ny ho potika ao ny loharanon’ny vokatra fanondrana any ivelany fampidiram-bola ho an’ny firenana sy reharehantsika eran-tany. Azo antoka fa ho tratry ny fiantraikany ratsy koa ny sehatry ny fizahan-tany ao Nosy Be sy ny manodidina.

Koa mitatitra aminareo ary manaitra anareo mpitondra fanjakana mahefa sy tompon’andraikitra mikasika ity toe-draharaha ity izahay, amin’ny maha société civile anay fa tsy mankasitraka ny handehanan’io tetik’asa terres rares io satria azo antoka fa hiteraka zava-doza aminay mpiarabelona izy io, na goavana aza ny tombotsoa ho entiny ho an’ny orinasa mpitrandraka sy ny Malagasy vitsy an’isa.

Ka noho izany dia miombonkevitra tanteraka sy manohana tsy misy atak’andro ary feno ny fitarainana miaraka amin’ny fitakian’ireo Communautés any ifotony izahay fikambanana amin’ny société civile rehetra tsy ankanavaka eto DIANA izay miara-manao sonia eto ambany.

26 Mey 2025

Ny Rodoben’ny Firaisamonim-pirenena eto amin’ny faritra Diana

Vous aimerez aussi