FANAMBOARANA VALIHA : Misedra olana amin’ny akora fototra

Misera olana goavana amin’ny fitadiavana ireo akora fototra toy ny volobe “Sahanala” (Bambou) sy ny voatavo monta (Calebasse) hoenti-mandrafitra ny valiha ireo mpanao asa tanana ankehitriny…

Vitsy sy lafo vidy

Raha toa ka tsy dia lavitra loatra ny renivohitra toy ny eny Andramasina no toerana fakana ireo volobe “Sahanala” fampiasa ho amin’ny fanamboarana ny vataben’ny valiha . Efa tonga hatrany amin’ny faritra ampovoany atsinanana toy ny any Moramanga, Andasibe iny mihitsy ireo mpanamboatra ny valiha mikaroka azy ireny ankehitriny. Mananika ny 7000 Ariary ny vidin’ny  volobe iray any am-potony.  Ny voatavo monta izay ampiasaina ho toham-baliha ihany koa dia efa tsy tazana firy intsony eny amin’ireo mpivarotra tapa-kazo eto an-drenivohitra sy hatrany ambanivohitra. Ny fanimbana tsy am-piheverana ny tontolo iainana no miteraka izao olana amin’ny fitadiavana ny akora fototra ampiasaina amin’ny fanamboarana zavamaneno nentim-paharazana toy ny valiha izao, hoy ireo mpanao asa tanana misehatra amin’ny fandrafetana zavamaneno.

Mitady vahaolana

Maro amin’ireo mpanamboatra ny valiha no tsy mampiasa firy intsony ny volobe sy ny voatavo monta fa nirona amin’ny famolahana ny hazo kesika hoenti-manangana ny valiha. Nomarihan’izy ireo anefa fa niteraka fiovana teo amin’ny feo avoakan’ny valiha ny fampiasana ny hazo kesika. Tsy re loatra intsony, hoy izy ireo ilay feo mikarantsana sy manga omen’ny valiha vita amin’ny volobe fa feo dombodombo no misongadina amin’ireo nojariana avy amin’ny hazo kesika ny vatany sy ny tohany.

Vahaolana maharitra, araka izany, ny fambolena ny “Sahanala” sy ny voatavo monta mba ahafahana mitazona ny kalitaon’ny valiha. Ny valiha izay voasokajy ho zavamaneno manana ny hasiny manokana tao anatin’ny vanimpotoana faha mpanjaka teto Imerina. Mampiaiky izao Tontolo izao raha ny hatsaran’ny feom-baliha malagasy sy ny fitonian-tsaina tovozin-tsy ritra azo eo ampihainoana azy.

Vous aimerez aussi