FANAMPIANA IREO MANANA OLANA ARA-TANY SY FITSARANA – AMBOHIMANGAKELY : Mijoro ny Cabinet conseil Juridique « Manampisoa »

Ny taona 2021 no nanorenan-dRandriamanampisoa Michel « Zoky Misa » ny Cabinet conseil juridique « Manampisoa ». Antom-pisiany ny fanampiana ny sokajin’olona rehetra manana olana eo amin’ny lafiny fananan-tany sy ny raharaham-pitsarana amin’ny ankapobeny. Tsy mijanona hatreo amin’ny fampahafantarana ireo Lalàna ny Cabinet conseil juridique « Manampisoa » fa manolotra toro-hevitra sy toro-lalana isan’ambaratongany ilain’ireo manan-draharaha eny amin’ny fitsarana ihany koa izy ireo. Nomarihan-dRandriamanampisoa Michel angady nananana sy vy nahitana ity ivon-toerana famahana olana sy fakana torohevitra ho an’ireo manana olana eo amin’ny raharaham-pitsarana ity fa tsy tokony ho sakana tsy hanantonan’ireo rehetra manana olana ny enti-manana. Natao hanampiana ireo Mpiara-belona ny Cabinet conseil juridique « Manampisoa », hoy hatrany « Zoky Misa » koa azo atao foana ny mifampiresaka.

Ankehitriny, efa misokatra etsy Ambohimangakely ny Cabinet conseil juridique « Manampisoa » Marihana fa anisan’ny ahitana tranga maro manodidina ny olan’ny fananan-tany ny eny Ambohimangakely. Manampy betsaka sy mamaly ny filan’ireo Mponina eny an-toerana tokoa, araka izany, ny fisian’ny Cabinet conseil juridique « Manampisoa » eny an-toerana. Ankoatry ny eny Ambohimangakely hisehatra any Sambaina Manjakandriana ihany koa ny Cabinet conseil juridique « Manampisoa » ho fanampiana ireo mpiara-belona tsy ankanavaka. « Ny hanampy hatrany ireo mpiray Tanindrazana aminy tsy ankanavaka » Io no tarigetram-piainana nofinidin’i Zoky Misa.

Vous aimerez aussi