Anaty fitoniana ihany no ahitana vahaolana noho izany tsy ilaina ny savorovoro ka hatsahatra ny korontana. Tsy maintsy misy ny vahaolana rehefa misy ny olana. Ireo no anisany nisongadina tamin’ny fanambaran’ny filohan’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy na ny FSM, ny talata 13 aogositra 2025, teny amin’ny 67 Ha, raha nitondra fanazavana mahakasika ilay fandravana fiangonana Silamo sy tranon’olona any amin’ny fokontany Ambokarivo – Betainomby any Toamasina II, ny tenany sy ireo mpikambana ao aminy.
Nanamafy araka izany ity filohan’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy ity fa miantso ireo mpino Silamo rehetra, ny FSM, mba tsy haneho hevitra amin’ny haino vaky jery intsony aloha manomboka izao, mahakasika ity raharaha ity. Efa namaly ny antso avon’ireo mpino Silamo, ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, mba handravonana ny disadisa. Efa misy amin’izao fotoana izao, ny fitadiavam-bahaolana anaty fifampidinihana eo amin’ny solontenam-panjakana sy ny solontenan’ny mpino Silamo any an-toerana. Nandefa iraka any Toamasina II mba hijerena ny marimaritra iraisana ny filoham-pirenena. Fanapahan-kevitra izay nankasitrahan’ny FSM. Antony nisaoran’izy ireo ny filoham-pirenena. Tanjona ny hisorohana ny korontana izay mety hiseho. Mitazona hatrany ny fitoniana eto amin’ny firenena ny FSM, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy.
