FANENDAHANA SY VAKY TRANO : Mahazo laka eto Iarivo

67 Ha eny amin’ny parking, Ankaditapaka Ankadifotsy, Andranomanalina, ampahany ihany amin’ireo faritra mamaivay amin’ny asa fanendahana sy vaky trano ireo. Tsy mahasakana ireo mpanao ratsy tsy hanao ny asany ny fepetra napetraka toy ny fihibohana sy ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina fa vao mainka aza nampahazo vahana sy nampirongatra ireo mpanendaka izany.

Tsy mifidy fotoana

Ho an’ny etsy amin’ny 67 Ha sy ny manodidina, tsy miandry ny andro ho maizina intsony ireo mpivelona amin’ny hatsembohan’ny hafa fa dia manatanteraka ny fanendahana amin’ny andro antoandrobe nanahary izao any amin’ireo elakelan-trano eny an-toerana. Nanamarika ireo voaendaka tamin’ity toerana ity fa tsy mitsitsy mihitsy ireo mpanendaka amin’ny fanaovana ny asa ratsiny ary mety hiafara amin’ny famoizana ny aina lahitokana mihitsy aza izany. Tanora anatin’ny salantaonan’ny adolantsento avokoa ny maro amin’ireo manao ny asa fanendehana sy famakiana trano eto Iarivo. Tsikaritra fa maro amin’izy ireo no midoroka zavamahadomelina mialoha ny hirotsahany amin’ny asa fanendahana. Maro, araka izany, ireo efa nitondra faisana toy ny fahaverezan’ireo fananana teny antsikinana sy nahazo ratra mafy tsy fidiny tamin’ny nafitsok’ireo mpanendaka. Manao antso vonjy ho an’ireo mpitandro ny filaminana ireo mponina eto an-drenivohitra mba hijery akaiky ny toe-draharaha toy ny fanohizana ny asa fisafoana any amin’ireo elakelan-trano maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mila mitandrina sy mailo ny rehetra fa tsy kely lalana tokoa ny ratsy.

Vous aimerez aussi