FANEVAM-PIRENENA : Mariky ny fananana fiandrianam-pirenena, mila hajaina sy omena Hasina...

Akory ny hagagan’ny maro raha nahita ny fanevam-pirenena (Sainam-pirenena) Malagasy sy Frantsay niara-nifanosona tamin’ny tahon-tsaina iray. Rehefa tafakatra hatrany amin’ny tendron’ilay fitoeran’ny fanevam-pirenena izy roa ireto dia indro fa nitambatra ho iray. Nandritra ilay lanonana nitokanana foto-drafitrasa ara-panatanjahatena ho an’ny sekolim-panjakana teny Avaradrano no niseho ity tranga nahavalalanina ity.

Maro no nanontany tena nanao hoe : “Angaha tsy fantatr’ireo Mpandraharaha sy Mpampianatra eo anivon’ity sekolim-panjakana mampianatra sy manabe ny zaza Gasy ity ny maha sarobidy sy saropady ny “Hasina” ananan’ny fanevam-pirenena noho izy ireny manamarika ny fananana ny fiandrianam-pirenena ho an’ny firenena iray. Tsy nisy taitra tamin’ny fahitana ireo Sainam-pirenena Malagasy sy Frantsay nifanosona anefa ny rehetra. Toa midika ny endrin-javatra tahaka izao fa tsy ho afaka eo ambany vahohon’ny “Reny malala” “FRANTSAY” mandrakizay i Madagasikara raha mbola tsy mahatsapa ny hasin’ny fanevam-pirenena mitarika ho amin’ny Fitiavan-tanindrazana ? Raha tany Frantsa ve no niseho ny toe-javatra tahaka izao dia nangina sy namela mora izany ry Zareo, hoy, Ianao ? Mila sarotiny sy saro-piaro amin’ny fiandrianam-pirenena isika tompon’i Madagasikara fa raha tsy izany dia hahantra ambony harena tahaka izao foana noho ny ampihimamban’ireo efa zatra nanjanaka sy nanjakazaka hatramin’izay ka ahiana hitohy hatramin’izao. Sahia, masina ny Taninjanaka e !!! Alao hery havako aby !!! Mila saropiaro tanteraka amin’ny FANEVAM-PIRENENA isika Gasy mba tsy ho mal… gâche eny foana araka ny niantsoan’ireo mena sofina nanjanaka antsika.

Vous aimerez aussi