Notontosaina, ny zoma 6 jona 2025, ny fetin’ny mpino Silamo “Eid Al Adha” na ny Fetin’ny fanaovana sorona. Fotoam-pivavahana lehibe teny amin’ireo toerana maromaro teto an-drenivohitra sy teny amin’ny Mosquée ary teny ankalamanjana no nanombohana izany ny maraina. Vita io fotoam-pivavahana lehibe io dia niroso tamin’ny fanatontosana ny sorona tamin’ny alalan’ireo biby ny mpino Silamo.
Na ondry na osy na omby na rameva miankina amin’ny fahafahan’ny tsirairay, ireo biby novonoina natao sorona ireo. Izany hoe: ireo biby vonoina ireo izay tsy voafetra ny isan’izy ireo fa miankina amin’ny fahefan’ny tsirairay. Antony mahatonga ny olona iray mamono biby miisa roapolo ka hatramin’ny efapolo isa. Misy amin’ireo fikambanana aza no mamono biby hatrany amin’ny zato isa. Tsy azo amidy ny henan’ireo biby novonoina ireo fa tsy maintsy zaraina amin’ny havana na ny manodidina na ny mahantra fa raha tsy izany dia tsy azo ny valisoa andrandraina avy amin’Andriamanitra.
Mialohan’io famonoana biby io mantsy dia misy ny teny tokana tononina manao hoe: “amin’ny anaran’i “Allah”, Izy no lehibe indrindra”. Raha tsy voatonona io teny io dia tsy afaka hohanina ny henan’ny biby novonoina. Izy ireo izay azo vonoina any amin’ireo toeranana manokana hahafahana manao izany. Ny Fetin’ny fanaovana sorona izay lanonam-be ho an’ny mpino Silamo satria dia mitondra fahasoavana ho azy ireo ny volon’ny biby voasorona. Araka ny finoana aza dia miankina amin’ny isan’ny volon’ny biby ataon’izy ireo sorona ny valisoa azon’ireo mpino Silamo. Izany indrindra no ifaninanan’ireo mpino Silamo maneran-tany amin’ireo volom-biby voasorona mba hahazoana fahasoavana.
Ny fankalazana ny “Eid Al Adha” dia fahatsiarovana lehibe an’ilay sorona nataon’i Abrahama mpaminany tamin’ny zanany lahitokana. I Abrahama izay nahita tsindrimandry hanapaka ny lohan’ity zanany lahitokana ity. Fihetsika izay tsy neken’Andriamanitra hany ka nosoloina ondry matavy roa ilay sorona. Notontosaina araka izany ny famonoana ireo ondry ireo mba ho fangataham-pitahiana tamin’i Allah. Ny Fetin’ny fanaovana sorona izay mifandray amin’ny fivahinianana masina any La Mecque. Ny fankalazana ny “Eid Al Adha” izay voafaritry ny fitondram-panjakana Malagasy ho andro tsy iasana kenefa handraisan-karama, araka ny fanazavana voaray.
