Ny taona 2009 no efa nijoro ny « Hardi finance » orinasa malagasy zato isan-jato, misehatra amin’ny lafiny fampindramam-bola madinika sy fanolorana fiofanana amin’ny fomba fitantanam-bola mahomby sy ny tontolon’ny fandraharahana madinika amin’ny ankapobeny. Tsy manana mpamatsy vola manokana ny « Hardi finance » fa dia miezaka mihodina amin’ny eo am-pelantanany.
Ireo mpisehatra amin’ny orinasa madinika (Sehatrasa madinika) izay afaka mampidi-bola isan’andro toy ny fivarotana legume sy anana, friperie na fanaovana fihenam-bidy “solde”, ireo mpanao asa-tanana rehetra… te hampiroborobo ny sehatrasa efa misy ao aminy no manjifa ny tolotra eo anivon’ny « Hardi finance ». Isan’andro ny famerenam-bola eo anivon’ity orinasa ity ary misy tsy tapaka ny fanaraha-maso sy fitsidihana ifotony ireo mpanjifa ataon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny « Hardi finance » mba ahitana ny fivoaran’ny tontolon’ny fandraharahan’ireo mpanjifa sy ahafahana manolotra soso-kevitra ho amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa ataony. Marihana fa ao anatin’ny iray volana no fe-potoana hamerenana ny renivola sy ny zanabola amin’ny sarany ambany dia ambany ho an’ireo mpanjifa ny tolotry ny « Hardi finance » Misy ihany koa ny « assurance vie » eo anivon’ny « Hardi finance ». Maro ireo efa nahita fahombiazana teo anivon’ny « Hardi finance ».
Tsy ny fitantanam-bola ihany no fiofanana atolotry ny « Hardi finance » ho an’ireo mpanjifany fa miara-dalana amin’izany ihany koa ny fampianarana azy ireo ny fomba fandraisana mpanjifa eny an-tsena mba ahafahana mampivelatra haingana ny fandraharahana. « Tosika ho an’ny fampandrosoana » Io no teny filamatra ho an’ny « Hardi finance » izay manana ny foibeny etsy Manarintsoa ary sampana eny Ankadindramamy ambony. Tanteraka ara-bakiteny tokoa, araka izany, ny teny filamatra ho an’ity orinasa Malagasy ity.
