Ny fahasalamana sy ny fiarovana amin’ny fanatanterahana ny asa dia anisany laharam-pahamehan’ny STAR. Antony nanokafan’ity orinasa ity toeram-pitsaboana “OSTIE” ao amin’ny Foibe sy “Agence” Andranomahery. Hanampy ireo mpiasa amin’ny fitsaboana haingana sy tsara kalitao araka izany ny toeram-pitsaboana. Fitsaboana izay iarahana amin’ireo ekipa mpitsabo sy ny fitaovana maoderina. Manamora ny fizahana ara-pahasalamana aloha ny fidirana amin’ny asa izany. Manatsara ihany koa ny fisitrahan’ny mpiasa fitsaboana mendrika ka mametraka ny “STAR” ho anisany orinasa mendrika indrindra eto Madagasikara.
Mpampiasa manolo-tena avokoa rahateo no ao amin’ity toeram-pitsaboana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ity. Miezaka mampanatona ny fizaham-pahasalamanan’ireo mpiasa ao aminy araka izany ny orinasa “STAR”. Ny orinasa “STAR” rahateo dia mametraka fanamby manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Manaraka ny fenitra “ISO 45001” mahakasika ny fahasalamana sy ny fiarovana amin’ny asa ihany koa. Ity fanokafana toeram-pitsaboana ity araka izany dia anisan’ireo dingana lehibe amin’ny fanatanterahana izany. Eo ihany koa ny resaka fisorohana, izay fototra iorenan’ny politikan’ny orinasa eo amin’ny fahasalamana sy fiarovana. Mikendry ny hanitatra tsikelikely ireo tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mpiasa rehetra sy ny fianakaviany ireo manerana ny Nosy araka izany ny orinasa “STAR”.
Mandray anjara mavitrika amin’ny hetsika fisorohana sy fanampiana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana hatramin’izay ny orinasa “STAR”. Manaporofo izany ny fanomezan-dra.Ny fandraisana anjara amin’ny hetsika fanentanana toy ny « Oktobra Mavokely » ho an’ny fitiliana homamiadan’ny nono sy ny vozon-tranonjaza. Eo ihany koa ny « Novambra Manga » ho an’ny fahasalaman’ny lehilahy. Amin’ny alalan’ireo hetsika “RSE”, ny orinsa “STAR” dia manohana asa fitsaboana sy miara-miasa amin’ny hopitaly sy toeram-pahasalamana maro manerana ny nosy. Ankoatra ireo dia izao nanangana toeram-pitsaboana izao ny orinasa “STAR”, araka ny fanazavana voaray.


