Ny Filoham-pirenena ihany no tompon’antoka amin’ny fanovana sy fanoloana ny Minisitra, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, io maraina io, nandritra ny fandraisany ireo solosaina avy amin’ny Vondrona Eoropeana, teny amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny.
Izy Filoham-pirenena ihany no mijery ny mikasika ny tomban’ezaka vitan’ny Governemanta, satria efa nanambara izy fa herintaona no omena, ahazoana manao izany tombon’ezaka izany. Koa andrasana ny fanapahan-keviny.
Tsy ho ela
Araka izany tokoa dia ny faramparan’ity volana ity no tokony hanaovan’ny Filoha ny jeritodiky ny asa vitan’ny Governemanta. Ny marimarina kokoa dia ny 24 janoary ho avy izao no feno herintaona katroka no nandraisan’izy ireo ny fitantanana.
Efa misy ny tatitra ataon’ireo Minisitra isanisany amin’ny asa vitany isam-bolana, izay alefa any amin’ny Filoha sy ny Lehiben’ny Governemanta. Dinihina isan’enim-bolana izany, hamaritana ny ezaka vita raha mipaka any amin’ny vahoaka tokoa ny asa na tsia. Ary ny herintaona niasana no tokony hijerena ny Minisitra sy tompon’andraikitra tokony halana sy hosoloina.
Araka ny fantatra moa dia efa any am-pelatanan’ny Filoham-pirenena, tamin’ny faraparan’ny volana desambra lasa iny ny tatitra farany avy amin’ny Minisitra isanisany.
Te-hanombana ny vahoaka
Any amin’ny firenena mandroso dia ny vahoaka izay tokony hiantefan’ny fiovana mihitsy no manao ny tombana. Hamantarana raha nisy fiovana amin’ny tsara ny fiainany na nikororosy. Tsy voatery hirosoana amin’ny fitsapana hevi-bahoaka akory izany fa vitan’ny orinasa mpanao fanadihadiana (na sondage) ihany. Dia ho hita misongadina avy amin’izany ny asan’ny Fitondrana mitantana azy.
Dia asa tokoa izay mety ho vokatr’izany fanadihadiana izany raha hatao.
Ny fantatra aloha hatreto dia ny filazan’ny tompon’andraikitra ambony maro fa vao ny adi-fototra na vadi-bainga izay vita nandritra ny herintaona izay.


