FARITRA ANALANJIROFO : Ratsy ny lalana, tsy tafavoaka ireo vokatra

Tsy ny eto an-drenivohitra ihany no mizaka ny vokadratsin’ny fahasimban’ny lalana fa dia mitondra faisana ihany koa ny any amin’ny faritra. Anisan’izany ny any Analanjirofo. Velon-taraina ny mponina any amin’ny kaominina Vohipeno, faritra Analanjirofo, fa tsy tafavoaka ny vokatra lavanila, jirofo, kafe noho ny faharatsian’ny lalana…

Mizaka fatiantoka hatrany

Mitoka-monina tanteraka ary tsy afaka mifanerasera amin’ny renivohitry ny distrika ireo mponina ao amin’ny kaominina Vohipeno, faritra Analanjirofo. Nisy ny antso avo nataon’ireo tomponandraikitra hanamboarana haingana ny lalana. Eo ampiandrasana izany, niroso tamin’ny fanatanterahana ny asa « tagnamaro » ireo fokonolona any an-toerana. Vonjy maika ihany ny asa natao noho ny tsy fahampian’ny fitaovana vaventy, hoy ny ben’ny tanàna any an-toerana. Mitaraina ireo mpamboly lavanila, kafe ary jirofo ao amin’ny kaominina Vohipeno, faritra Analanjirofo fa vidian’ireo mpandraharaha ara-toekarena amin’ny vidiny ambany dia ambany ireo vokatra. Mitarika fatiantoka goavana ho azy ireo, araka izany, ny fahasimban’ireo lalana ao amin’ny faritra Analanjirofo. Ity farany izay faritra anisan’ny mamokatra ireo voly fanondrana mampalaza an’i Madagasikara. Tokony ho laharam-pahamehana, araka izany, ny fanamboarana ireo lalana manerana ny Nosy, ahafahana mamoaka ny vokatra sy hitomboan’ny fifanakalozana ara-barotra bebe kokoa eo amin’ny samy Malagasy.

Vous aimerez aussi