FARITRA ANÔSY-BETROKA : Manan-karena harena an-kibon’ny tany, saingy…

Anisan’ireo faritra manan-karena amin’ny lafiny otrikarena an-kibon’ny tany toy ny vato kristaly, rubis, sns ny any amin’ny faritra Anôsy toy ny any Betroka, Amboasary ary Taolagnaro. Ny fitompolo isan-jaton’ny Mica ampiasain’ny orinasa « QMM » izay miorina any Taolagnaro dia avy ao Betroka avokoa, hoy, Randrianasolo Tantely Oberlin. Ity farany izay mitarika ny sampan’ny Sendikà « Semphamakri » na ny « Sendika Mpandraharaha Harena ankibon’ny tany Malagasy Kristianina » any Betroka sady « Assistant parlementaire » n’ny Solombavambahoaka amperinasa ankehitriny any an-toerana no misehatra amin’ny asa fandraharahana ihany koa.

Anisan’ny olana goavana ny mbola maha gaboraraka ny asa fitrandrahana any Betroka sy ny manodidina, hoy, hatrany Randrianasolo Tantely Oberlin noho ny tsy mbola fahafantaran’ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany « Code minier ». Azo ambara fa hitondra ainga vao sy fomba fiasa hanaraka ny fenitra sy ny lalana manan-kery ary hampihena miandalana ny fisian’ny kolikoly avo lenta eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany ny fisian’ny Sendikà « Semphamakri » any an-toerana. Anisan’ny asa efa ataon’izy ireo ny fitetezana ireo Kaominina ho amin’ny fanatanterahana fampahafantarana ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny fanentanana ireo mpitrandraka hiditra anatin’ny Sendikà mba hahamora ny fiarovana ny tombontsoan’izy ireo sy hahafahana mampiditra ny rehetra anatin’ny sehatra manara-penitra sy manara-dalana amin’ny asa atao. Nomarihan’ny filoha nasionalin’ny « Semphamakri » Ramatoa Ratsimbazafy Elinirina rahateo fa adidy aman’andraikitry ny Sendikà tanteraka ny miaro ny tombontsoan’ireo mpikambana ao aminy sy ny fampivondronana azy ireny. Ny « Semphamakri » izay azo ambara ihany koa fa iray amin’ireo masoivohon’ny Minisitera miahy ny harena an-kibon’ny tany any amin’ireo faritra efa iasany ankehitriny.

Marihana fa Kaominina miisa roa ambinifolo amin’ireo roa ambiny roampolo any an-toerana no efa nahavitan’ny sampana « Semphamakri » Betroka fidinana ifotony. Tsapa, hoy Randrianasolo Tantely Oberlin fa liana ny maro amin’ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany ao amin’ny faritra Anôsy ny hiditra ho mpikambana noho izy ireo efa nangetaheta fatratra ny hiditra anatin’ny sehatra manara-penitra. Ankoatry ny fanentanana ho amin’ny famphafantarana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany dia anisan’ny sehatrasa goavana hataon’ny « Semphamakri » any Betroka ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanentanana ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany sy ireo mponina hamboly hazo ho fanarenana miandalana ny Tontolo iainana. Marihana fa anisan’ny efa faritra mena amin’ny tsy fisian’ny hazo i Betroka. Tsy misaraka rahateo amin’ny asa fitrandrahana ny fiarovana ny Tontolo iainana mba tsy handova dezaka ireo taranaka any aoriana. Maherin’ny ny efajato ankehitriny ireo mpikambana efa voasoratra anarana eo anivon’ny Sendikà « Semphamakri » any Betroka.

Vous aimerez aussi