“FESTIVAL DES BALEINES” ANDIANY FAHAVALO : Hatomboka eto Antananarivo ka hofaranana any Sainte Marie

Ny 12 ka hatramin’ny 20 jolay 2025 no hotanterahana any Sainte Marie, ny andiany fahavalo, amin’ny fanamarihana ny fandalovan’ny trozona na ny “Festival des Baleines” eto Madagasikara. Hetsika izay entina hampahafantarana ny sehatry kolontsaina malagasy, ireo kanto nentim-paharazana sy ny zava-kanto miaina amin’izao tontolo izao, hanomezana ihany koa ny lanja ny tontolo iainana, ny fizahan-tany sy ny fihariana ary ny toekarena.

Ity hetsika fanao isan-taona ity dia hiavaka kokoa amin’ity taona 2025 ity amin’io Ivon’ny fankalazana io. Hialohavana hetsika “Festival de la nature” izany izay hotanterahana ny 17 ka hatramin’ny 24 may 2025, eto Antananarivo. Hanentana ny fotoana mandritra ireo andro ireo amin’ny alalan’ilay fandaharana “Question pour un Champion”, ny mpanentana Julien Lepers. Ankoatra izay dia hotanterahana mivantana eny amin’ny “Radissson Blu” Ambodivona, ny 24 mey 2025, ny dingana faharoa amin’ny hetsika fanentanana. Ireo izay tafakatra tamin’ny dingana voalohany no hiatrika izany. Tsy ireo mpandray anjara tamin’ny fanentanana dingana voalohany tamin’ny “facebook” sy ny antso an-telefaonina ary ny TVM izay nametrahana karazam-panontaniana ihany no hanome valiny fa na ireo solon-tenan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra ihany koa aza amin’io fotoana io dia hampandraisana anjara.

Ny alatsinainy 19 ka hatramin’ny zoma 23 may 2025 dia ny fanentanana isan-karazany ho an’ireo ankizy sy tanora 10 ka hatramin’ny 15 taona, no ho hita ao amin’ny “AFT” Andavamamba. Hiara-dalana amin’io fanentanana io ny fampirantiana sary mahakasika ny tany sy ny ranomasina. Eo ihany koa ny fandefasana horonan-tsary “Océans” eny amin’ny Akamasoa, ny alarobia 21may 2025. Ny “orinasa Yas Madagascar” manokana dia manohana ny hetsika entina mampiroborobo ny ara-kolontsaina tahaka izao, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, teny Andraharo.

Vous aimerez aussi