Taorian’ny fikaon-doham-paritra notontosaina, tany Faradofay, ny taona 2021 dia nahatsapa ny fitondram-panjakana fa anisan’ireo faritra tara eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny any Anosy sy any Androy. Antony nitadiavan’izy ireo vahaolana mba ho paikady entina hanoloran-tanana ireo faritra ireo. Ankoatry ny fitondram-panjakana dia nitondra anjara biriky eo amin’izay lafiny fampandrosoana ny faritra Anosy sy Androy izay ihany koa ireo orinasa sy fikambanana ary “ONG” maro samihafa eto Madagasikara.
Anisan’ireo miantsehatra mivantana eo amin’izay fanampiana ny faritra miisa roa izay ny “ONG Caméléon” sy ireo ministera maro. Izany indrindra no hanatanterahan’izy ireo miaraka ny “Festival du Caméléon” ny 13 ka hatramin’ny 15 jona 2025, any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo. Ity hetsika ity izay entina hanasongadinana ny lafiny tontolo iainana sy ny fizahan-tany ary ny kolontsaina any amin’ireo faritra ireo. Tanjon’ny “Festival du Caméléon” ny hiaro ny tontolo iainana izay efa tena mihasimba amin’izao fotoana izao. Beazina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ity biby ity araka izany ireo vondron’olona ifotony.
Zava-dehibe ny fanamafisana ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo biby ireo indrindra fa ny fanohanana ny fikarohana momba ity biby ity izay hitondra any amin’ny ezaka nasionaly sy Iraisam-pirenena. Eo ihany koa ny fanentanana mba hanaingana ireo mpizahatany anatiny sy avy any ivelany amin’ny fampahafantarana ity biby ity. Ny 42 isan-jato amin’ny karazana “Caméléon” maneran-tany dia hita eto Madagasikara avokoa. Ny 98 isa amin’ireo 234 isa izay misy amin’io karazana biby io maneran-tany araka izany dia eto amintsika. Ringana tanteraka anefa ny 50 isan-jato amin’io biby eto Madagasikara io ankehitriny. Biby arovana noho izany ny “Caméléon”. Maro amin’ity biby ity ny any amin’ny faritra Anosy sy Androy. Antony iray nisafidianana ny distrikan’ Amboasary Atsimo hanatanterahana voalohany ny “Festival du Caméléon” andiany voalohany. Nivoitra tamin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampiroboroboana ny fizahan-tany ary ny fanomezan-kasina ny kolontsaina izay fanoitra ho amin’ny fampandrosoana.
Ankoatry ny fampirantiana ireo tranoheva isan-karazany izay mampahafantatra manokana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy avy any amin’ireo faritra ireo dia hisy ny fifaninanana hira sy dihy ary vako-drazana miampy fifidianana “Miss” sy “Mister” ary ny andiam-pampisehoana maro samihafa mandritra ireo telo andro ireo. Mpanakanto handray anjara amin’ity “Festival du Caméléon” izay entina hiarovana ny tontolo iainana sy hisintonana mpizahatany ary hampahafantarana ny kolontsaina ity ny mpanakanto Ceasar, Masabao sy Matsubara ary Black Nadia.
Mpanohana ity “Festival du Caméléon” ny “Yas Madagascar” izay manana ny foiben-toerany eny amin’ny Andraharo. Ny fampahafantarana ny “Festival Caméléon” andiany voalohany izay notontosaina, teny amin’ny “Campus” Andraharo, ny alarobia 7 mey 2025, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara avy ao amin’ny “ONG Caméléon”.
