FESTIVAL « VOASARY » ANDIANY FAHAROA : Hivelatra amin’ny Fanatanjahatena…

Hisy ny fifaninanana lalao baolina kitra, hazakazaka efatra kilometatra, lalao fanatanjahatena nentim-paharazana Moraingy… Anisan’ny hampiavaka ny Andiany faharoa amin’ny Festival « Voasary » hotanterahana, ny volana Septambra ho avy izao any amin’ny Kaominina Antsatramidola Andoharano, izay miala dimy ambiny telopolo kilometatra an’ny Mandritsara. Kaominina Antsatramidola Andoharano, izay azo ambara ho Renivohitr’ireo dimy kaominina antsoina hoe : « Dimy kaominina loharano mangarahara » ahitana ny kaominin’ny Ambaripaika, Ambilombe, Ankikabe fonoko, Antsatramidola, Ambodiamontana kianja, anatin’ny distrikan’ny Mandritsara, faritra Sofia. Ankoatry ny hetsika ara-panatanjahatena, hisy ihany koa ny seho an-tsehatra hafanain’ireo Mpanakanto fanta-daza. Samy handray anjara mavitrika amin’ity Festival « Voasary » Andiany faharoa ity avokoa ireo Kaominina miisa dimy, tarihan’ny ben’ny tananany avy.

Tanjona anatin’ny fanatanterahana ny Festival « Voasary », hoy i Lelah magneva patron, mpiketrika azy ity ny hahafahana mampahafantatra amin’ireo mpandraharaha sy ny tompon’andraikim-panjakana miahy ny lafiny fambolena ary ireo rehetra tsara sitra-po vonona hampandroso ara-toe-karena fa « Tanànan’ny voankazo tsara kalitao » azo ahodina ho ranom-boankazo ara-pahasalamana sy ahafahana mametraka rafitra fiharian-karena goavana mitarika ho amin’ny famoronana asa maro any an-toerana, ireo « dimy kaominina loharano mangarahara » ao amin’ny faritra Sofia, distrikan’ny Mandritsara noho ireo vokatra marobe ananany . Ambohipihaonana ho amin’ny fanamafisana orina ny firaisankina, ny fihavanana eo amin’ireo mponina anatin’ny « Dimy kaominina loharano mangarahara » sy ahafahana mitondra fifanakalozan-kevitra ho amin’ny fitadiavana ny paikady mahomby ho fampandrosoana ireo kaominina any an-toerana ihany koa ny Festival « Voasary » Ny mahasoa sy ny mahafinaritra, araka izany, no hotovozina, anatin’ny « Festival voasary » andiany faharoa, any amin’ny kaominina Antsatramidola Andoharano. Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny Festival Voasary Andiany faharoa ity ny Orinasa « Yas Madagascar » sy ny « Canal plus ».

Vous aimerez aussi