Nankalazain’ireo mpino silamo maneran-tany, ny zoma 6 jona 2025, ny fetin’ny “Eid Al Adha”. Ny mpino silamo teto Madagasikara izay tsy diso anjara tamin’ny fankalazana izany. Roa volana sy folo andro taorian’ny fetin’ny “Ramadan” no ankalazan’ny mpino silamo ity fetin’ny sorona ity. Fiaraha-mivavaka anaty “Mosquée” na eny ankalamanjana no nanamarihan’ireo mpino silamo izany fetin’ny “Eid Al Adha” izany ny tapany maraina raha fanaovana sorona biby toy ny ondry sy osy ary omby no nanohizana ny fotoana tamin’io zoma io.
Ireo henan’ny biby novonoina ireo izay zaraina tamin’ny ankohonana, havana, fianakaviana, mpiray vodirindrina sy mpiray tanindrazana ary ny sahirana ara-pivelomana. Ny olon-dehetra izay tokony hitovy avokoa ka hiara-paly fa tsy hasiana fanavahana rehefa fotoan-dehiben’ny mpino silamo tahaka ny fetin’ny “Eid Al Adha” toy izao. Ity fetin’ny “Eid Al Adha” ity izay manan-danja tanteraka eo amin’ny mpino silamo noho izy io nanatontosan’izy ireo sorona masina nahatsiarovana ny sorona nataon’i Abrahama mpaminany tamin’ny zanany lahitokana Ismaely. Rehefa nirahin’Andriamanitra mantsy ny mpaminany Abrahama hanapaka ny tendan’io zanany lahitokana io dia nanaiky. Rehefa tsapan’i Allah anefa fa nanaiky hanapaka ny tendan’io zanany lahitokana io Abrahama mpaminany dia nirahiny ny Anjely Gabriela mba tsy hanapaka ny tendan’io zanany lahitokana io i Abrahama mpaminany fa hanolo izany ondry matavy roa, araka ny voalazan’ny Baiboly.
Lasa fomba amam-panaon’ny mpino silamo izany araka izany ny fifaninanana famonoana biby manana tongotra efatra rehefa tonga ny fetin’ny “Eid Al Adha” tahaka izao. Miankina amin’ny habetsaky ny isan’ny volon’ondry voasorona mantsy ny fahasoavana miditra any anaty tokantrano na ny valisoa azo, araka ny finoana silamo. Manaraka ny finoana napetrak’i Abrahama araka izany ny mpino silamo satria midika fa mahafoy zavatra tsara ho an’ilay nahary ny antony fanaovana sorona. Maharitra efatra andro ny fangahatam-pitahiana amin’ny fetin’ny fanaovana sorona tahaka izao ka hitohy hatramin’ny alatsinainy 9 jona 2025 izany ny famonoana ireo biby hatao sorona ireo, araka ny finoana silamo. Heloka eo anatrehan’i Allah ny tsy fanatanterahana sorona ho an’ireo manana fahafahana hanao izany, araka ny fampianarana silamo.
Ny fankalazan’ny mpino silamo maneran-tany ny fetin’ny “Eid Al Adha” izay tsy mitovy fa mifanelanelana ny andro satria miankina amin’ny fisehon’ny volana eny amin’ny lanitra izany. Misy ny manomboka izany amin’ny toerana sy firenen-kafa raha iray andro aorian’izay izany ho an’ireo mpino silamo hafa. Nisaotra ny fitondram-panjakana malagasy ny mpino silamo ny amin’ny nanokana ny 6 jona ho andro tsy hiasana kanefa andraisan-karama. Manaja ny maha laika tokoa ny fitondram-panjakana, araka ny fanazavan’ny Mpanolotsaina nasionaly ao amin’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy (FSM), Ahmad Najo.
