FETIN’NY MATY : 2.000 Ar mahery ny vidim-boninkazo

2.000 Ar ka hatramin’ny 15.000 Ar eo ny vidin’ny voninkazo natoraly. Vidiny izay azo lazaina ho nisy fisondrontany tokoa raha ny fanamarihana nataon’ny mpanjifa sy ny mpivarotra no ambara. Na azo lazaina ho vitsy tsy tahaka ny isan-taona aza ny mpividy voninkazo noho izao fetin’ny maty izao dia nisy ihany ny olona no nanatanteraka izany noho ny fahazarana, ka nitondra « lys » na « glaieul » na koa « rose », izay hita fa vokatra eny an-tsena eny.

Ho an’ny eto an-drenivohitra dia ny etsy Anosy no azo ambara ho foiben’ny fivarotana voninkazo na dia ahitana izany ihany aza eny amin’ny làlam-pirenena mivoaka an’Antananarivo eny. Samy nahitana fisondrotana avokoa anefa ny vidin’izy ireny. Ary toy izany koa ny vidin’ireo voninkazo vita plastika, izay heverin’ny mpanjifa ho mateza kokoa kanefa mahatanteraka ilay mari-pahatsiarovana ihany.

Fahatsiarovana no zava-dehibe

Tsy ho an’ny Malagasy ihany fa ho an’ny olona maro maneran-tany dia mitory fitiavana sy fahatsiarovana ny voninkazo ary zary lasa fomba fanao mihitsy.

Ho fahatsiarovana ireo raiamandreny efa nodimandry dia fanao tokoa ity fanateram-boninkazo ity satria tsy fotoan’ny famosonan-damba intsony izao ka aleo voninkazo no aterina.
Ho an’ny hafa moa dia mahavatra manao fitsangatsangana sy fiaraha-misakafo eo ambody fasana eo ny mpianakavy, no sady manadio ny tokontanim-pasana ihany koa, mba ho fanajana sy fahatsiarovana ireo maty ao, hono.

Mbola mitana ny sain’ ny Malagasy sasany tokoa ny fikarakarana ireo razana satria dia heverina hatrany ho mitondra fitahiana ireny vovoka ireny, ka tsy azo atao ambanin-javatra.
Maro kosa anefa no efa mahatsapa fa tsy misy ifandraisana intsony mihitsy ny velona sy ny maty.

Vous aimerez aussi