FETIN’NY PASKA TANY ANTSIRABE : Nohafanain’ny “Star Tour Antsirabe 2025”

Fety iray manan-danja any amin’ny faritraVakinankaratra saika isan-taona ny “Star Tour Antsirabe”. Tamin’ity taoana ity dia nalaza ny “Star Tour Antsirabe 2025” noho izy io nampiala voly sy nampilalao tanteraka ny fianakaviana sy ny mpinamana.

Maherin’ny 120.000 ny isan’ireo mpitsidika tonga nitsangatsangana sy nifety nanomboka ny zoma ka hatramin’ny alatsinain’ny Paska tany amin’ny tanànan’Antsirabe. Samy nahazo ny tandrify azy avokoa araka izany na ny ankizy na ny lehibe nandritra ireo fotoana ireo. Nanafana ny fety tamin’ny alalan’ireo fanentanana isan-karazany ireo mpanentana. Ireo mpanankanto kosa no nifandimby niaka-tsehatra nanolotra seho niavaka sy matihanina ho an’ireo mpijery. Tsy nahasakana ny rehetra hifety rahateo ny firotsahan’ny orana tamin’ity « Star Tour Antsirabe 2025 » ity.

Ankoatran’ny fetin’ny fampisehoana sy ny fanentanana dia niaraka nifaly teny amin’ny Araben’ny Garan’Antsirabe tamin’ ireo tranoheva miisa telopolo mahery izay mivarotra ny vokatra Star ny tsirairay. Ireo vokatra ireo izay nojifaina tamin’ny vidiny tena izy ka nahafahana niala hetaheta. Nisy ihany koa ny “Espace pression” izay nisotron’ireo mpankafy am-pilamina. Laharam-pahamehan’ny Star ny fitandroana ny filaminana ka nizotra antsakany sy andavany ny fetin’ny “Star Tour Antsirabe 2025”.

Ny fanadiovana ny tanàna no namaranan’ny Star isan’andro nandritra ireo efatra andro ireo ny fety izay nokarakarainy. Nangonina tamin’ireo vata KOPAKELATRA ireo tavoahangy plastika izay avy nampiasaina, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi