Tanterahana amin’ity anio ity eny amin’ny ministeran’ny Asa vaventy Anosy, ny fifidianana, izay ho filohan’ny « Fikambanana Zanak’Ampielezana Mandritsara Eto Antananarivo » na ny FI.Z.A.M.A. sy ireo birao handrafitra azy. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ny fifidiana ka hifarana amin’ny 2 ora tolakando. Kandida miisa roa no mifaninana amin’ity fifidianana ity dia ny Kandida Tsiarovana Bergès Angelino sy ny Kandida Ramaninandrona Arsène. Ireto kandida roa ireto izay samy vonona ny hitondra fiovana ho amin`ny tsara kokoa ho an`ny Fikambanana FI.Z.A.M.A. Tonga maro ireo mpifidy nandrotsaka ny vatony ho an’ny kandida safidiany. Ny mpikambana ao amin’ny FI.Z.A.M.A izay efa manodidina ny 9.000 isa amin’izao fotoana izao. Miely patrana manerana ny Nosy ihany koa ny fikambanana satria isaky ny distrika dia ahitana FI.Z.A.M.A avokoa. Ny taona 1988 no niorina ara-panjakana ny FI.Z.A.M.A.
