Ny fampisehoana mivantana ireo paikady maro entin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana mba ho fampivoarana ny famokarana. Ny fanentanana sy fampahafantarana mahakasika ny tontolon’ny famokarana eto Madagasikara.
Ny fandraisan’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana na ny “MINAE”, Hajarison François Sergio, mivantana ireo mpitsidika tranoheva, no anisany nampiavaka ny “Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny fambolena ny fiompiana Ary ny Jono” na ny “Foire Internationale de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche – FIA”, tamin’ity taona ity.
Ny andiany fahafito no notontosaina teny amin’ny CCI Ivato-Antananarivo izay nahitana tranoheva maherin’ny 300 isa. Ity hetsika izay nanomboka ny 4 septambra 2025 dia nifarana ny 7septambra lasa teo. Nandritry ny efatra andro nanatontosana ny hetsika dia niara-nisalahy tamin’ny “MINAE” ireo mpanohana tetikasa sy Fandaharanasa maro samihafa izay nampiranty teny an-toerana. Teo ihany koa ny orinasa “MadaVision” izay tompon’antoka tanteraka tamin’ny fikarakarana ny hetsika “FIA”. Ny orinasa izay feno traikefa sy fahaiza-manao tokoa eo amin’izay fampivoarana ny famokarana maharitra eto Madagasikara izay.
Tratra rahateo ny tanjona tamin’ity “FIA” andiany fahafito izay entina hampivorana ny famokarana ity. Niara-dalana tamin’ity “FIA” andiany fahafito ity ny “Festival International de la gastronomie de M/car” na ny (FIG ) andiany voalohany. Ny “FIG” izay nanomezan-danja tanteraka ireo mpisehatra ara-tsakafo eto amintsika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny orinasa “MadaVision”, Andrianasolo Hery.
