Ny 18 aprily ka hatramin’ny 20 aprily 2025 no hotanterahana any amin’ny “Alliance Française Fianarantsoa” ny andiany faha-10 amin’ny “Fianar Reggae Festival” na ny (FRF) raha ny taona 2013 no nanatontosana ny andiany voalohany. Ity telo andro ity izay entina hampiroboroboana ny mozika reggae. Hampivondronana ihany koa ireo mpanakanto misehatra amin’ny reggae eto amintsika sy ireo avy any ivelan’ny Nosy.
Miisa 13 ireo mpanakanto avy eto an-toerana sy avy any ampitan-dranomasina no handray anjara amin’ity “festival” ity izay ahitana mpanakanto miisa 3 avy any Fianarantsoa. Hanokatra ny “Fianar Reggae Festival” amin’ny andro voalohany i Mashmanjaka ny tarika Reggasy. Hodimbiasan-dry Kyalaa sy Kofa, Zanatary, Kheman-Nadz, Krutambull sy Blackman Roots Lion ary Jah roots, izany, ny 19 aprily 2025. Ny andro fahatelo famaranana kosa no hiaka-tsehatra ny avy any amin’ny Nosy Maurice sy ireo mpanakanto maro samihafa avy eto an-toerana toa an’i Rayn’Ve, Jah Fazon, Eka Zaho sy 6Watt ary Jam Session. Hifanindran-dalana amin’ny fetin’ny paska amin’ity taona ity ity fampisongadinana ny “Fianar Reggae Festival” any Fianarantsoa ity. Hampiavaka izany “Fianar Reggae Festival” andiany fahafolo izany ny fanamafisam-peo izay tena avo sy ny hazavana raitra ary ny fahitalavitra lehibe. Tanjona ny hampita hafatra ho amin’ny firaisan-kina sy ny fahafahan’ny fiaraha-monina. Vina apetraky ny “festival” ny hanomezana sehatra ny tanora sy hampivelarana ireo izay mivoy ny gadona “reggae”. Ity “Fianar Reggae Festival” izay noforonin’i Val sy Christian ity no notontosaina mba tsy hahatanàna fandalovana fotsiny an’i Fianarantsoa fa mba ho tanàna hanana ny mahaizy azy eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany sy ny fiainan’ny tanora.
Tompon’andraikitra mpikarakara ny “Fianar Reggae Festival” ny fikambanana Sarondra raha ny “Be Bose” no efa niara-niasa tamin’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny “festival” hatramin’ny taona 2023, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny “Fianar Reggae Festival”, Rabearivony Tanjona. Mpanohana ity “Fianar Reggae Festival” ity ny orinasam-pifandraisana “Yas Madagascar”. Ity farany izay nampivoitra fa antom-pisian’izy ireo ny hanome lanja ny talentan’ireo izay manana izany indrindra fa ny kolontsaina malagasy ankoatry ny fampifandraisana ny rehetra amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra.
