Nanomboka omaly alarobia faha-27 mey 2020 ny fizarana ny « Tosika Fameno » ho an’ny Distrikan’i Fianarantsoa. Miara-misalahy amin’ny fizarana, manaraka ny fepetra sy toromarika mihatra amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, ny Faritra Matsiatra Ambony, ny Kaominina ambonivohitra Fianarantsoa, ny Fokontany, ny FID, ny Oniversiten’i Fianarantsoa, ny Fitaleavam-paritra miadidy ny mponina, ny Fahasalamana, ny Paositra Malagasy, ny AGEX ary ny Mpitandro filaminana.
Haharitra 15 andro izao fizarana ny « Tosika Fameno » izao ao amin’ny Distrikan’i Fianarantsoa, ka ny Firaisana Lalazana sy Vatosola no nanombohana izany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.