FIANGONANA « CAS » : Najoro hitory ny « filazantsara marina… »

Ny 04 desambra 2022 no nijoro ny Fiangonana « Centre d’Appui Spirituel » na « CAS », tarihan’ny Pastora Rajaonarivo Sarobidy, manana ny foibe-toerany, etsy amin’ny 67 Ha avaratra.

Nahitsy ny Pastora Rajaonarivo Sarobidy nanambara fa ny hitondra fijery sy rivo-baovao eo anivon’ny « fiangonana zandriny » ary ny hitory an’i Jesosy Kristy maty teo ambony hazo fijaliana no antom-pisian’ny Fiangonan’i Krisrty Mamonjy Fanahy na ny « CAS ». Natsangana ny « CAS », hoy ihany izy tsy hifaninana amin’ireo « fiangonana zandriny » efa misy akory fa ny hitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fanatsarana ny endriky ny « fiangonana zandriny » ankehitriny ary ho fanabeazam-boho ny asa fitoriana ny filazantsara sy ho fitaizana sy fikoloana ny fanahy hifikitra mandrakariva amin’Andriamanitra sy Jesosy Kristy zanany lahitokana.

Ny fitoriana ny « filazantsara marina » izay voarakitra anatin’ny baiboly, araka izany, no iraka ezahan’ny « Centre d’Appui Spirituel » hotanterahana eto Madagsikara sy hatrany Dilambato. Nanamarika ny Pastora Rajaonarivo Sarobidy fa fiangonana tantanan’ny teratany Malagasy ny « Centre d’Appui Spirituel » ary malalaka amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ireo mpitantana eo anivony. Misy rafitra antana-tohatra mipetraka ary tsy maintsy hajain’ny rehetra eo anivon’ity fiangonana ity ary malalaka ny fifanakalozan-kevitra ho amin’ny fikatsahana hatrany ny fampandrosoana sy ny fanapariahana ny fotom-pampianarana. Marihana fa misy ny fandraisana ireo Sakramenta ary manana sekoly fampiofanana ho Pastora ihany koa ny « CAS ». Ny mangarahara hatrany no fomba fiasa eo amin’ny lafiny fitantanana ny « CAS ».

Ankoatry ny asa fitoriana, ny fanasitranana, ny fahagagana ataon’ny fiangonana dia misehatra amin’ny asa sosialy ihany koa ity fiangonana miezaka manapariaka ny « Finoana mahira-tsaina » mifototra amin’ny  tenin’Andriamanitra ity. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa mitohy hatrany ny asa fitoriana an-kira ataon’I Pastora Rajaonarivo Sarobidy izay mpikambana feno eo anivon’ny tarika « Les Adeline ». Vaovao tsara ho an’ireo mpankafy !

Vous aimerez aussi