Mandia ny faha dimby ambiny folo taona nijoroany ankehitriny ny Fiangonana Hbereo notsrym eto Madagasikara. Nomarihan’i Shalar Andriamady Rija, mpitarika ny Fiangonana Hebreo notsrym fa mafy ny namakiana lay ny dimy taona voalohany ho azy ireo. Anisan’ny nanahirana ny nametraka ilay hoe Gasy Hebreo noho ny fisian’ireo petra-kevitra nanambara fa avy any Indonezia na Afrika ny Malagasy sy ny fampiasana ireo « Anarana tena izy » anatin’ny Torah toy ny hoe : Adonay, Yeshoah, Mosheh, sns izay somary nanavao ny sofin’ny maro teto Madagasikara ihany ny naheno azy ireo. Maro tamin’ireo nandre ny fampiasana ireo anarana ireo no nitsara avy hatrany sy nametraka fa manaratsy ny finoan’izy ireo ny fiangonana Hebreo notsrym. Anisan’ny niteraka olana zary lasa toy ny fanenjehana sy fandrabirabiana teny anivon’ny fiarahamonina ihany koa ny endrika ivelany isaloran’ny Hebreo notsrym toy ny fomba fitafy izay mampiasa akanjo lava tohitenany tsotra nefa mendrika. Azo ambara fa efa tafapetraka eny anivon’ny fiarahamonina ny fisian’ny Hebreo eto Madagasikara ankehitriny, hoy i Shalar Andriamady Rija.
Tsiahivina hatrany fa anisan’ny ny foto-kevitra lehibe ijoroan’ny fiangonana Hebreo notsrym eto Dago ilay hoe : « Malagasy taranaka Hebreo » araka ny hevitra ara-nofo. Iraka hotontosain’ny Fiangonana Hebreo notsrym ny hitory amin’ny Malagasy ny fanekena vaovao tapany faharoa ho an’Israely izay mbola tsy nody mandraka androany (Fahatanterahan’ny faminaniana amin’ny fanekena vaovao tapany faharoa). Mampiavaka ny Hebreo notsrym ihany koa ny fanarahan-dia an’i Yeshoah. Mino, araka izany, ny Hebreo notsrym fa i Yeshoah no Mesia na Mpamonjy araka ny bokin’ny testamenta vaovao izay ampiasain’ny Hebreo notsrym. I Yeshoah no « Rabin » Mpampianatra na Rain’ny fiangonana ho an’ny Hebreo notsrym. Saika efa misy fiangonana Hbereo notsrymavokoa ireo renivohitry ny faritra rehetra eto Madagasikara. Marihana fa tsy mijanona hatreo amin’ny fanabeazana ara-panahy ihany ny Fiangonana Hebreo notsrym fa misehatra amin’ny fanampiana ireo mpiara-belona eo amin’ny lafiny ara-nofo toy ny fanabeazana, fahasalamana, asa famokarana toy ny fambolena sy fiompiana. Ny fikambanana « Madagasikara Nosy miavaka » izay rafitra manokana eo anivon’ny fiangonana Hebereo notsrym no mitantsoroka ny lafiny sosialy. Tsy manao politika ary tsy manana loko politika ny fiangonana Hebreo notsrym. Afaka manao politika sy misehatra malalaka amin’izany ireo mpikamabana eo anivon’ny Hebreo notsrym. Ny 01 Jona ho avy izao no hankalaza ny fetin’ny « Shavouot » na Pentekoty ny Fiangonana Hebreo notsrym etsy Ankasina.
