Ny tontolo andron’ny Alahady 30 martsa dila teo, tetsy Ankasina, , izay misy ny « bet kneset » na trano fivavahana ho an’ireo mpanaraka ny finoana Hebreo notsrym, no nanamarihan’ireo mpanaraka ny fotoam-pinoana Hebreo notsrym ny Taom-baovao na « Rosh hashanah » Vory lanona teny an-toerana ireo mpino marobe.
Ny « Rosh hashanah » na ny Taom-baovao ho an’ny Hebreo dia fotoana hifamelan-keloka, hamitranam-pihavanana mba hananana fo madio hiatrehana ny taona vaovao miditra. Midika izany fa fotoam-piravoravoana sy fifaliana ny fankalazana ny « Rosh hashanah » noho izy lavitry ny romoromo sy ny kibay an-kelika tsy mitera-bokatsoa. Nomarihan’ny Shalar Andriamady Rija fa anatin’ny Volana « habib » midika ho Salohim-bary ny fankalazana ny Taom-baovao ho an’ny Hebreo. Fidiovana, fialana amin’ny fahazaran-dratsy, araka izany, ny fankalazana ny « Taom-baovao » mba hananana fiarahamonina mirindra sy tsara kokoa. Nandritra ny fotoam-pankalazana ny taom-baovao ho an’ny Hebreo notsrym no nihinanana ny Vary amin-tantely tondrahan-dronono, hanim-pitoloha sy ny fandraisana ny tso-drano avy amin’ireo Ray aman-dreny mba hahomby mandritra ny famakivakiana ny taona vaovao. Niseho tamin’ny endrika roa ahitana ny ivelany sy ny anatiny ny fankalazana ny « Rosh hashanah » na fidiovana ho an’ny Hebreo notsrym. Ny anatiny izay notanterahana tamin’ny alalan’ny fifamelan-keloka sy fikosehana tsy hisy intsony ireo mety ho disadisam-piaraha-monina amin’ny endriny marolafy (Fanadiovana ny fo amam-panahy). Ny ivelany kosa dia ny famoahana akanjo vaovao ho any Hebreo handraisana ny taona vaovao. Marihana fa manaraka ny tsingerim-pambolena ny Alimanaka arahan’ny Hebreo. Mitana anjara toerana lehibe anatin’ny fankalazana ny taom-baovao ny Sakafo ho an’ny Hebreo sy ny Malagasy.
Maneran-tany dia ny « Hebreo » sy ny « Gasy » ihany no mankalaza taom-baovao miisa roa dia ny volana septambra « Lohataona » (Fetin’ny Trompetra) sy ny manodidina ny volana martsa (Fidiovana na taom-baovao ara-pivavahana) Manamafy indray fa Hebreo ny ankamaroan’ny Malagasy. Tsy tokony hifanditra na sanatria hifandrafy manodidina izany ny Malagasy, hoy i Shalar Andriamady Rija fa samy marim-pototra avokoa ny fankalazana ireo taom-baovao miisa roa ireo raha ny voarakitra anatin’ny « Torah » no jerena.


