Vory lanona tetsy Ankasina, toerana misy ny « Beyt kneset » (Trano fivavahana), ireo mpino avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, eo anivon’ny finoana « Hebreo notsrym », ny alahady 01 jona lasa teo, nankalaza ny « Shavouot » na ny fetin’ny Pentekosta.
Ny « Shavouot » izay natao ahatsiarovana ny nanoloran’i Adonaî ny didy folo ho an’ny zanak’Israely tao an-tendrombohitry Sinay, ny fanolorana ny voaloham-bokatra (vary akotry madio tsara) ary ny fahatsiarovana ny nirotsahan’ny fanahy masina tamin’ireo Apostoly. Nomarihan’i Shalar Andriamady Rija, mitarika ny finoana Hebreo notsrym eto Madagasikara fa voarakitra anatin’ny baiboly ny tsy maintsy hanaovana ny fanolorana ny voaloham-bokatra (Fambolena, fiompiana) ho an’ny Hebreo notsrym mba ahafahana miala amin’ny fitsiriritan’ny Vahiny ny fakana tany ary ny mba hahazoana fitahiana sy tso-drano amin’ny asa fambolena sy fiompiana izay atao. Ankehitriny, ny ankamaroan’ny Malagasy no efa tsy manao intsony ny « Santa-bary » Vokany, tsikaritra fa anjakazakan’ireo Vahiny ny tany ary mihena am-pitoerana ny tahan’ny vokatra azo. Ilaina, araka izany, ny fanatanterahana ny fanolorana ny voaloham-bokatra « Santa-bary » mba ho feno mitafotafo hatrany ny fitoeram-bary ary tsy hisy hitsiriritra na ho lasan’ny Vahiny ny tany, hoy, hatrany i Shalar Andriamady Rija ny voarakitra anatin’ny baiboly. Azo ambara ho ampahany amin’ny fanalahidy ahafahana miala amin’ireo mety ho endrika marolafy amin’ny fangejan’ny Vahiny ny fanaovana ny fanaterana ny voaloham-bokatra ho an’i Adonaî mandritra ny « Shavouot ».
Marihana fa ny Hebreo notsrym dia ireo mino fa efa nandresy ny fahafatesana i Yeshoah ary efa tonga. Misy ihany koa ny ny « Hebreo Judaïsme » izay mbola miandry ny fiavian’i Mesia… Ny Zoma lasa teo no nanatanterahana ny batisa « Tevila » ho an’ireo efapolo mianadahy, teny amin’ny Reniranon’Ikopa, noho, ity farany rano mandeha. Nitohy ny andron’ny Alahady tamin’ny fanokanana ireo mpiandraikitra toy ny « Zaken » (Loholona) miisa telo mirahalahy sy ny « Shamas » (Diakona) iray ny fandaharam-potoana ho an’ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana Hebreo notsrym. Midika fa velona sy miroborobo ny Fiangonana Hebreo notsrym eto Madagasikara. Ny fanarahana ny fomba sy ny filofosan’ny Malagasy amin’ny asa fambolena arahana hatrany ny fanajana ny fomba. Ireo no vahaolana naroson’i Shalar Andriamady Rija manokoana ny fahantrana lalina iainan’ny Malagasy ankehitriny. Ny fankalazana ny fetin’ny Tabernakely no handimby ny fanamarihana ny « Shavouot » ho an’ireo mpino eo anivon’ny finoana « Hebreo notsrym » eto Madagasikara, izay manana ny foibeny etsy Andohatapenaka Ankasina. Ny fiaraha-misakafo sy firavoravoana nombana hira maredona sy dihy no nentina namaranana ny fotoam-pankalazana ny « Shavouot » tetsy Ankasina.
