Raha ny alahady 23 febroary 2025, teny amin’ny CCI Ivato, no nanatontosa hetsika ara-pilazantsara maimaim-poana “Vavaka sy Tso-drano”, ny Fiangonana Vavaka sy Fanafahana izay manana ny foiben-toerany eny Behoririka dia nanatontosa ny fotoam-bavaka lehibe nankalazana ny « Andron’ny vehivavy » indray ny fiangonana, ny andron’ny 8 martsa 2025, teny amin’ny CCESCA Antanimena. “Ary hanomezan’Andriamanitra anao anie…” Gen 27:28 no lohahevitra nampitondraina ny hetsika ara-pilazantsara izay niarahana amin’i Pasitera Rabemananony Fidisoa sy Pasitera Noro Lucie, tamin’io « Vavaka sy Tso-drano » io raha « Vehivavy mitondra Fitahiana » no lohahevitra nampitondraiana ny fotoam-bavaky ny Andron’ny 8 martsa.
Ny andron’ny 1 may 2025 dia hanatanteraka indray ny « Vavaka Tendrombohitra lehibe » eny Ambohimangakely Ambohitrombihavana, ny Fiangonana Vavaka sy Fanafahana izay miaraka amin’i Pasitera Rabemananony Fidisoa sy ny Pasitera Noro Lucie. Ny andinin-tSoratra Masina avy ao amin’ny Lioka 9-28 izay maneho ny Vavaka an-tendrombohitra no ampiharina amin’izao Vavaka Tendrombohitra lehibe, ny 01 Mai 2025, izao. Tsy anavahana antokom-pinoana na antokom-pivavahana, ny fotoana amin’io andro io fa ireo izay te hanoka-tena ho an’Andriamanitra, dia afaka manatrika ity fotoam-bavaka ity avokoa. Misy tsiambaratelo ny fivavahana an-tendrombohitra araka izay efa fanaoni Jesoa tahaka izao dia ny fitadiavana an’Andriamanitra izany. Izy io izay misy tari-dalana arahana fa tsy mndeha ho azy. Tena miavaka tanteraka ny fivavahana an-tendrombohitra satria ny tsirairay izay tarihana amin’ny toerana sy lalana mbola tsy fandehanany dia tena hahita ny fitiavan’Andriamanitra tokoa, araka ny fanazavan’ny Pasitera Noro Lucie.
