FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Handraisana andraikitra amin’ny tetikasa “Kopakelatra”

Manoloana ny fanariana tavoahangy plastika eny rehetra eny izay mahatonga ny fahalotoan’ny tontolo iainana dia nanangana tetikasa antsoina hoe: “Kopakelatra” ny Star mba hahafahana miady amin’izany. Ireo olana goavana atrehin’izao tontolo izao ireo izay ahitana tavoahangy plastika aman-tapitrisany taonina isan-taona. Antony hanamafisin’ny STAR ny fitrandrahana azy ireo mba ho lasa tombony ara-toe-karena. Ny fanodinana ny loto azo avy amin’ny tavoahangy plastika izay toe-karena mihodina azo tsapain-tanana.

Amin’ny alalan’ireo “vata Kopakelatra” mahatratra 131 isa izay miparitaka amin’ny toerana stratejika miisa 93 amin’ny tanàn-dehibe miisa 6 no hanatanterahan’ny Star izany fanangonana tavoahangy plastika efa niasa izany. Izy ireo izay manana marika samihafa kanefa azo ahodina amin’ity “vata Kopakelatra” ity avokoa. Tanjona ny fampihenana ny voka-dratsy ara-tontolo ateraky ny famokarana sy ny fikirakirana ireo fako aterak’izany. Ivon’ny tetikasa araka izany ny fanodinana azy ireo. Ireo fono plastika voaangona dia misy lalany mazava arahana. Eo aloha ny fanavahana sy ny fanadiovana ary ny famotehana azy ireo mba ho azo avadika ho fitaovana vaovao indray.

Nanomboka ny taona 2019 dia tavoahangy plastika miisa 3 500 000 no voaangon’ny tetikasa “Kopakelatra”. Ireo fako voaangona ireo izay navadika ho potika plastika amin’ny endriny isan-karazany ka nahafahana manamboatra akanjo, “autobloquant” sy ny maro samihafa. Manamafy hatrany ny fandraisany andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Star. Izany indrindra no mampivelatra kokoa ny tetikasa “Kopakelatra” amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka vaovao sy ny fomba fanangonana fako plastika vaovao.Ny STAR dia orinasa mpamokatra zava-pisotro miaro ny tontolo iainana amin’ny loto plastika.

Vous aimerez aussi