FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Omena sehatra manokana amin’ny “Festival des Initiatives Vertes”

Ny andiany faharoa amin’ilay hetsika “Festival des Initiatives Vertes” no hotanterahana eny amin’ny AFT Andavamamba, ny 22 ka hatramin’ny 24 may 2025. Tamin’ity taona ity dia nomena sehatra manokana ny fanentanana ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fomba rehetra. Manaporofo izany ny fanomezan-danja ny resaka fambolena marolafy sy ny fampiasana ny angovo azo havaozina indrindra fa ny fanaovana “recyclage”. Tanjon’ny “Festival des Iniatives Vertes” ny fanasongadinana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra eny ifotony. Amin’ny alalan’ny fampirantiana maro manodidina izay fiarovana ny tontolo iainana izay no hampivalamparana amin’ireo tranoheva maro ireo mandritra ireo fotoana ireo.

Azon’ireo mpitsidika jerena araka izany ny hetsika fampirantiana izay mifanindran-dalana amin’ireo atrikasa sy adihevitra maro samihafa. Hiandrasana mpitsidika manodidina ny 3.000 isa any ho any ireo hetsika mandritra ny telo andro ireo. Ankoatra ireo mpitsidika dia nomena sehatra manokana ihany koa ireo ankizy sy tanora mpianatra. Manodidina ny 250 ny isan’ireo ho avy hanatrika ireo hetsika samihafa ireo. Miara-miasa amin’izao fanampiana ny mpiara-belona izao ny “Climates Madagascar”. Izy izay hitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manaony ary ny fahalalany rehetra mandritra ny fotoanan’ny hetsika. Mpandray anjara mavitrika amin’ny fanohanana ny fiarovana ny tontolo iainana ny orinasa “Yas Madagascar”. Efa mipetraka ho ao anatin’ny vinan’izy ireo hatramin’izay ny fanoloran-tanana ny lafiny fampandrosoana maharitra amin’ny fandraisana anjara mavitrika amin’izany lafiny tontolo iainana izany. Ity hetsika ity dia eo ambany fiahian’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny hetsika.

Vous aimerez aussi