Efa mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro toy ireo firenena hafa maneran-tany i Madagasikara. Andalana ho amin’ny fametrahana ny drafitrasa nasionaly ahafahana miatrika izany isika ankehitriny.
Drafitra maty paika
Anisan’ny voarakitra anatin’ny paikady nasionaly ahafahana miatrika izany ny fanofanana ireo tantsaha hampiasa ny fomba fambolena afaka misedra ny fiovaovan’ny toetrandro. Entanina ihany koa ny mponina ho amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina hisorohana ny fandripahana ny ala sy iarovana ny sosona ozone.
Anisan’ny olana efa atrehan’ireo tantsaha malagasy vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro, ohatra, ny tsy fahampian’ny rotsakorana sy ny mety ho fahabetsahany diso tafahoatra. Manoloana izany, efa misy ny asa fikarohana ahafahana mamokatra masomboly afaka misedra ireo olana ireo. Tsy mijanona hatreo amin’ny seham-pambolena ihany ny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana fa efa misy akony ratsy ihany koa eo amin’ny fahasalaman’ny Zanak’olombelona saika maneran-tany izany. Miha marefo ny hery fiarovana voajanahary ao amin’ny Olombelona, izay manamora ny fidiran’ireo otrikaretina ao amin’ny vatana.
Tsy tokony hatao ambanin-javatra, araka izany, ny fandrafetana ity paikady nasionaly ahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro ity fa antoky ny hoavin’ny firenena sy ny mponina ao aminy.


