Amboarina haingana araka izay tratra ny fanamboaran-dàlana, satria io no fototry ny fidangan’ny vidin’entana. Fampanantenana nambaran’ny Praiminitra Ntsay Christian izany, io maraina io, nandritra ny famindram-pahefana nataony tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny vaovao, Tehindrazanarivelo Djacoba Liva.
Manoloana ny fitarainan’ny vahoaka manko dia tsy mitsaha-mitombo tato ho ato ny vidin’entana eny an-tsena rehetra eny.
Anisan’izany indrindra ny vidim-bary, izay mampikaikaika ny maro. Araka ny fantatra dia miampita fiara fitaterana in-telo vao tonga any Ambatondrazaka satria sarotra dia sarotra ny fifamoivoizana amin’iny làlam-pirenena faha-44 iny. Kanefa dia anisan’ny sompitry ny vary mamatsy faritra maro manerana ny nosy iny toerana iny. Anisan’izany ihany koa ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-4 izay raisin’ny tompon’andraikitra an-tanana, amin’izao fotoana izao.
Ho fehezina ny vidin’entana
Eo ihany koa anefa ny fisian’ny fanararaotana hataon’ny sasany noho ny fiakaran’ny rano tamin’iny andro ratsy iny. Koa nanome fampitandremana azy ireny ny lehiben’ny Governemanta ka hisy ny fijerena sy fakana fepetra ho an’ireo mpanararaotra ireo.
Noho izany, anisan’ny laharam-pahamehan’ny Governemanta ny mamehy io vidin’entana io ka handray ny andraikiny ny Ministera rehetra, satria tsy rariny ny fisian’ny fanararaotana.
Hisy hatrany ny tombana
Manoloana izay asan’ny governemanta izay no nanipihan’ny Praiminisitra fa misy hatrany ny fanombanana ny asa vitan’ny Minisitra tsirairay avy, na vaovao izy na efa teo aloha.
Mazava, hoy ny Praiminisitra, ny vinan’ny Filoha sy ny programan’asan’ny fitondrana, ka ho tsaraina araka izay tandrify azy avy ny minisitra isanisany. Rehefa tonga ny fotoana dia hatao araka izay maha-mety azy izany tomban’ezaka izany.
