FIDIRAN’NY MPIANATRA HO AN’NY TAOM-PIANARANA 2025 – 2026 : Mitsinjo ireo ray aman-dreny ny Sekoly Edenah eny Ambohimanarina

Ny 1 septembra 2025 no efa niditra nianatra ho an’ny taom-pianarana 2025- 2026, ny Sekoly tsy miankina Edenah eny Antanjombe Ambohimanarina. Anisan’ireo sekoly niezaka nanamora ny fidiran’ny mpianatra tamin’ity taona ity, no sady nanolo-tanana ireo ray aman-dreny, ny Edenah Antanjombe Ambohimanarina. Porofon’izany ny fahafahan’ireo ray aman-dreny mandoa tsikelikely ny saram-pianarana araka izay eo am-pelan-tanany. Tanjona ihany koa ny mba hahafahan’ireo zaza sy ankizy ary tanora malagasy mandranto fahaizana amam-pahalalana am-pilaminana mandritry ny taom-pianarana na eo aza ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano. Vina apetraky ny sekoly amin’izao fifanampiana izao ny mba hisian’ny vokatra tsara eo amin’ny lafiny fampianarana. Ny Sekoly tsy miankina Edenah AntanjombeAmbohimanarina ihany koa dia niezaka ny tsy nampiakatra ny saram-pianarana tao anatin’ny taom-pianarana maromaro izao mba ho fitsinjovana hatrany ireo mpianatra sy ireo ray aman-dreny. Tao anatin’ny 32 taona (1993-2025) nijoroan’ny Edenah eny Antanjombe dia anisan’ireo Sekoly tsy miankina nahazoana vokatra tsara hatrany izy, araka ny fanazavan’ny talen’ny Sekoly tsy miankina Edenah Antanjombe Ambohimanarina, Ravololomanana Clarisse.

Vous aimerez aussi