FIFANINANANA HAZAKAZAKA AM-BISIKILETA “RODORODON’IARIVO” : Tontosa ny alahady lasa teo

Ny alahady 6 jolay 2025 no nanatontosana ilay fifaninanana hazakazaka am-bisikileta “Rodorodon’Iarivo” izay nokarakarain’ny “Ligue Cyclisme Analamanga” na ny (LCYA). Izy io izay niainga teny Soavimasoandro ka nifarana teny Imerikasinina. Halaviran-dalana 32km sy 60 km ary 72km no nandraisan’ireo mpifaninana hazakazaka am-bisikileta ireo anjara amin’izany. Ny fizarana « dossard » an’ireo klioba eto Analamanga izay nandray anjara tamin’ity fifaninanana hazakazaka am-bisikileta “Rodorodon’Iarivo” izay nokarakarain’ny “Ligue Cyclisme Analamanga” na ny (LCYA) ity no hetsika notontosaina, teny amin’ny foiben-toeran’ny “LCYA” Ampamatanana, ny sabotsy 5 jolay 2025.

Ireo “dossard” ireo izay tsy miova raha tsy miova klioba ilay mpihazakazaka am-bisikileta ao anatin’ny taona iray mandritry ny fitantanan’ny Ligin’Analamanga ao anatin’ny fe-potoam-piasany iray. Raha miova klioba anefa ilay mpihazakazaka am-bisikileta dia averiny ao amin’ilay klioba nialany ny “dossard” dia ny filohan’ny klioba indray no mampilaza any amin’ny Ligy ny mahakasika ilay “dossard” an’ilay mpihazakazaka am-bisikileta izay efa tsy ao amin’ny klioba tantaniny intsony. Io “dossard” io avy eo dia azon’ny mpihazakazaka am-bisikileta hafa indray ampiasaina. Niisa 14 ireo klioba nizarana “dossard” izay nahatratra 200 isa teo ho eo.

Manodidina ny 130 ny isan’ireo mpandray anjara tamin’ity hazakazaka am-bisikileta ity. Manodidina ny 5 ka hatramin’ny 10 ny isan’ireo vehivavy raa lehilahy avokoa ny ambiny. Voasolo tena nandray anjara amin’ity fifaninanana hazakazaka am-bisikileta ity avokoa ireo faritra manerana ny Nosy afa-tsy Toliara sy Morondava no tsy nahatonga solon-tena. Ireo mpandray anjara avy any amin’ny faritra izay efa tonga eto an-drenivohitra avokoa amin’izao fotoana izao. Miahy tena ny Ligy eo amin’ny resaka fijerena ny fahasalaman’ny mpihazakazaka tsirairay na manana ny dokoterany manokana aza izy ireo. Ny klioba ihany koa no miantoka ny rano ilain’ny mpihazakazaka indrindra fa ny fiantohana ny mpandray anjara. Ireo klioba eto Analamanga mijoro ara-panjakana izay miisa 9 dia handray anjara avokoa raha misy klioba miisa 4 ihany koa amin’izao fotoana izao efa eo am-pikarakarana ny taratasin’izy ireo ho ara-panjakana no handray anjara. Klioba miisa 13 na 15 izany no heverina fa handray anjara amin’ity fifaninanana hazakazaka am-bisikileta “Rodorodon’Iarivo” izay karakarain’ny “Ligue Cyclisme Analamanga” ity.

Ny fanomanana ity fifaninanana hazakazaka am-bisikileta “Rodorodon’Iarivo” ity izay efa milamina avokoa amin’izao fotoana izoa. Ny Prefektioran’Antananarivo sy ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia efa nanome alalana ireo toerana ilaina amin’izany tamin’ireo tompon’andraikitra mpikarakara amin’ny fanatanterahana ny hetsika. Ireo kodiaran-droa no hisava lalana ka hanaraka azy ireo amin’izany ireo mpifaninanana hazakazaka am-bisikileta. Ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena “Rodorodion’Iarivo” izay tsy anavahana sokajin-taona fa afaka handraisan’ny rehetra anjara, na vavy na lahy. Hitetezana faritra maro eto Antananarivo ity hetsika ity. Amin’ny mahafifaninanana hazakazaka am-bisikileta azy dia ny bisikileta ihany no fitaovana ampiasain’ireo mpifaninana. Misy karazany roa ireo bisikileta ireo hahafahana mandray anjara. Manomboka amin’ny 9 ora maraina ny hetsika, eny Alarobia,  amin’io alahady 6 jona 2025 io. Tsy hisy ny lalana tapaka fa mila hajan’ireo mpampiasa lalana ny lalànan’ny fifamoivoizana izay hanomezana ilay iray metatra raha ohatra ka hisongona ireo mpifaninana ireo mpampiasa lalana ireo, araka ny fanazavan’ny filohan’ny “Ligue Cyclisme Analamanga” na ny (LCYA), Tahiendraza Petera Marivosoa na i Laden.

Vous aimerez aussi