Hetsika roa sosona no notontosain’ny birao sy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara avy amin’ny antoko Fivoi-Fivoarana, ny Alarobia 05 Febroary 2025, teny Imerintsiatosika. Teo aloha ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Ankoatra izay ny fanolorana sy ny fampahafantarana ireo Ben’ny tanàna miisa 52 lany tamin’ny anaran’ny Fivoi-Fivoarana manerana ireo Distrika maro samihafa. Hetsika izay nosokafana tamin’ny alalan’ny Diabe mamakivaky tanàna.
Ity hetsika ity dia nanehoana ireo hetahetan’ny eny ifotony mba hahafahana mampandroso ny tanàna. Raha te hampandroso ny Firenena mantsy dia mila ampiana ny tantsaha mpamboly sympiompy. Fitakian’ny Filoha mpanorina ny Fivoi-Fivoarana, Rajerison Antoine, ny mba hisian’ny fifidianana sefom-pokontany araka ny voalazan’ny didim-panjakana 2009-890. Ny fifidianana sefom-pokontany izay tokony hotanterahana telo volana aorian’ny fididianana Ben’ny tanàna. Ireo sefom-pokontany ireo izay ilaina omen-kasina raha te hampandrosoana ny tanàna. Zava-poana ny atao rehetra rehefa tsy mipaka any amin’ny tokony hiantefany izany, hoy hatrany ny Solombavambahoakan’i Madagasikara lany tany amin’ny distrikan’Arivonimamo, Rajerison Antoine.
