Ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonana an-tampony andiany fahadimy amby efapolon’ny Filoham-panjakana sy ny Lehiben’ny Governemanta ao amin’ny “Southern African Development Community – SADC” no lanonana notontosaina ety amin’ny CCI Ivato, ny 17 aogositra 2025.
Ankoatry ny lahateny nifandimbiasan’ireo filoham-panjakana dia natolotra ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry, izay nampiantrano ity fihaonana an-tampony ity, ny fitantanana ny SADC mandritry ny herintaona. Izy izay notolorana ireo marika rehetra milaza fa izy indray izany izao no filoham-pirenena vaovao hitantana ity Vondrona ity taorian’ny filoham-pirenena Zimbaboanina. Voalohany teo amin’ny tantaram-pirenena malagasy, ny fandraisana sy ny fitantanana ny SADC izay mifanin-dalana amin’ny fankalazana ny faha-20 taona nidiran’i Madagasikara tao anatiny. Hanasongadina ny lafiny ara-diplomatika ho antsika Malagasy izany ka mendrika horeharehan’ny Malagasy. Eo ihany koa anefa ny hitondran’izany fandraisana ny fihaonana an-tampony izany ireo voka-tsoa maro ara-toe-karena eto Madagasikara.
Ireo firenena miisa 16 mivondrona ao amin’ny SADC dia nahatonga solontena avokoa tamin’izao fihaonana an-tampony fahadimy amby efapolon’ireo Filoham-panjakana sy Lehiben’ny Governemanta izao.


